Politique

Fianianana tsy nisy Baiboly Feno 4 taona rahampitso


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Rahampitso alakamisy no feno 4 taona katroka ny nampisalorana ny filoham-pirenena ankehitriny,Andry Rajoelina, ny maha filohan'ny repoblika malagasy azy. 19 janoary 2019 - 19 Janoary 2023!

Voalohany tamin’ny fianianana nataona filoham-pirenena vaovao tsy nampiasana Baiboly io. Aiza ho aiza isika izao, hoy ny mpanao politika, Heritiana Rasoamiaramanana na Zaref? Tsy ny lalam-pirenena maro ihany no trobaka fa hatramin’ny kitapom-panjakana, hoy izy. Resy tanteraka ny toekarena. 5,2% ny 2018 ny harinkarena. 4,4% ny 2019. 2023 isika izao, 2% mahery kely sisa izany, hoy hatrany ny tenany. Efa nofakafakaina teto amin’ity gazety ity koa moa tamin’ny fotoana androny ny amin’ny hoe inona tokoa moa izany no maha velirano ny velirano raha toa ka tsy misy izay Baiboly izay na zavatra hafa mamatotra ilay mpanao velirano? Tsy mifono zavatra hafahafa ve izany? Raha tsiahivina fohy indray ny lovantsofina mikasika ny antsoina hoe velirano dia fianianana fanaon’ireo razambentsika dia ireo Vazimba izany ary hankanesan’izy ireo eny an-doharana sy hivelesan’izy ireo ny rano mandeha mihitsy mba entina hilazana fa hihatra aman’ain’izay manao fianianana eo ny teny omeny ka sanatria tsy tanterahany. Tandindon’ny aina tsinona ny rano teo amin’ireo razantsika ary mbola lovaintsika hatramin’izao izany. Tena nanao velirano tokoa ve ny filoham-pirenena ankehitriny? Fanontaniana mbola handrasam-baliny mandra-pahatapitr’ity fotoam-piasany nampanantenany izany rehetra izany ity izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT