Politique

Fianarantsoa Mihetsika ny vahoaka


  • Alarobia 25 Aprily 2018

Nisy omaly ny famoriam-bahoaka tao amin'ny kianja Magro Ampasambazaha taorian’ny antso tamin'ny onjam-peo sy taratasy naparitaky ny filoha nasionalin’ny antoko Tambatra Pety Rakotoniaina amin'ny anaran'ny Komitin’ny Fahamarinana,


 

 Fandriampahalemana ary ny Fiadanana (K3F) nanazavana tamin'ny vahoaka ny antsimpirihany tsara ho fantatra tamin’ilay fehin-kevitra tapaka nandritra ny Atrikasa Nasionaly notontosaina tao Fianarantsoa ny 17 sy 18 aprily teo, miampy ny fomba fijery ny zava-misy eto an-drenivohitra amin'izao fotoana. Vory maro ny olona, toy izany koa ny mpanao politika sy ny herivelona samihafa, na dia fihaonana voalohany aza ny omaly. Mitovy feo ireo nifandimby nandray fitenenana fa betsaka ny zavatra tsy mandeha eto amin’ny firenena. Samy namaky bantsilana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, ny fangalarana tanin’olona, ny tsy fahamarinana sy ny fiangarana amin’ny fampiharana ny lalàna ihany koa izay niteny. Hanaporofoana amin’ny mpitondra fa tsy ankasitrahan’ny vahoaka intsony izao zava-misy izao, iny hetsika omaly iny, izay fanombohana ihany hanerena ny tompom-pahefana hahatsiarovany tena, tsy hizirizy, fa hiroso amin’ny dinika hikatsahana vahaolana amin’izao zava-misy izao. Nizotra tsy nisy fanelingelenana, tsy nisy fanimban-javatra ny hetsika omaly. Hitohy amin’ny zoma ny hetsika, ary hisy anio alarobia ny fampahalalana amin’ny mpanao gazety ao Fianarantsoa ny andinindinin'izany.

 

Jean D.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT