Fianankavian’i Andry Andriantongarivo

Mangataka ny hanatsaraharana ny tsindry, antsojay, fampijaliana,…


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Ny mpisolovava an'Andriamatoa Andriatongarivo Tojonirina Andrisoa dia manameloka

ny fampiasana ny fahefam-panjakana hahazoana vahana amin'ny raharaham-pitsarana. Raha toa ka naniry ny hiravonan'ny olana rehetra taorian'ny antso nataon'ny fianakavian'ny olona arovany izy dia gaga raha toa ka fitoriana sy fanadihadihana hataon'ny sampana fikarohana heloka be vava eo anivon'ny zandarimaria no setriny. Ny mpisolovava an'Andriamatoa Andriatongarivo dia mihevitra fa ny tsindry ateraky ny andraikitra sahanin'ny olona miady amin'ny olona arovany dia sakana tsy hivoahan'ny marina sy tsy hahitana ny rariny koa manainga ny tompon'andraikitra rehetra mba hijery manokana ity raharaha mba hisian'ny fijery tsy mitanila ataon'izay rehetra manana fanapahan-kevitra raisina anatin'izany. Manainga mavesatra an'Andriamatoa Filohan'ny Repoblika izay miantoka ny fahaleovantenan'ny Fitsarana, an'Andriamatoa Praiministra lehiben'ny governemanta, Rtoa Minisitry ny Fitsarana, mba handidy ny hisian'ny fijery tsy mitanila ,ka ho fialofan'ny malemy tokoa anie ny fitsarana fa tsy toerana hanjakan'ireo be fahefana sy voninahitra. Manantena ny mpiaro fa ho toy ny fandraisana an-tànana ny raharaha izay nitarika ny fitanana am-ponja ny olona arovany, dia ho malaky ihany koa ny fandraisanana an-tanàna ny fitoriana an-dRtoa Rakotondrazafy Lalatiana izay napetraka ny 07 martsa teo eny anivon'ny manam-pahefana. Ny heloka izay angatahanay mba anenjehan'ny fitsarana azy dia heloka tsy misy ifandraisany amin'ny maha ministra mpikambana anaty governemanta azy koa manantena ny mpiaro fa ho voahaja ny zon'ny olona arovany amin'ny maha mpitory azy, ny porofo rehetra izay napetraka sy mbola ho fenoina, dia inoana fa ampy andraisan'ny fitsarana fanapahan-kevitra marina sy mahitsy. Amin'ny raharaha maha voapanga ny olona arovany, tranga izay efa nanaovan'ny fanjakana malagasy tamin'ny alalan’ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina fanambarana fa tsy mitombina, dia mirary ny mpisolovava ny hitsaharan'ny tsindry hatao amin'ireo mpitsara. Mangataka ihany koa ny fianakaviany ankoatra izay no sady mifona ny mba hampitsaharana ny antsonjay mihatra amin'ny zanany fa marary ity farany. Atsahatra toy izany koa ny filalaovana ny fitsarana tahaka ny fampiasana ny mpisolovavan'Atoa Andriatongarivo teo aloha izay efa nanambara ampahibemaso fa tsaho ireo voalaza fa tifitra nataony tamin'ny mpanakanto iray, kanefa ireo mpisolovava ireo no lasa mpiaro ilay mpanakanto ankehitriny ka manenjika azy hoy hatrany ny mpisolo vavany.
Nangonin’i Pati
Legende : Reraky ny antsojay mahazo azy Atoa Andry Andriantongarivo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT