Politique

Fianakaviana Ravalomanana Ananan-dRajoelina kakay manokana ?


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Nanomboka tamin’ny taona 2009 hatramin’izao dia mitohy ny lonilonin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina amin’i Marc Ravalomanana.

 

 

Tsy nisy rahateo ny tena fampihavanam-pirenena tena nahomby teto, fa mbola ao hatrany ilay otrik’ady tsy levona. Naongany ny taona 2009, nodorana ny fananana, tsy navela nody,… Mbola tratry ny kajy maloton’ny fifidianana filoham-pirenena teo, fa nandefitra sy niarahaba ary nirary soa an’ilay filoha nambara fa lany aza. Izao dia hiroso amin’ny fanovana ny ben’ny tanàna ho PDS indray izy sy ny ekipany, izany hoe ho lasibatra indray ihany koa Rtoa Lalao Ravalomanana. Miha mafy ny fanenjehana sy fanaratsiana ary hanaovana fahirano tanteraka ny ben’ny tanàna sy ny renivohitr’i Madagasikara, izay toa misy ambadika politika, toy ilay resaka tsenan’Anosibe izay olona mpitarika fikambanana mpanohana ny Filoha no mitarika olona hikomy amin’ny asa ataon’ny kaominina. Ny resaka fakan’i Marc Ravalomanana ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra izay efa voafaritry ny lalàna hitadiavana hevitra hialana aminy satria tsy levon’ny vavonin’ny filoha am-perinasa ny handraisan-dRavalomanana io toerana io. Tena manana kakay manokana amin’ny fianakaviana Ravalomanana ve Atoa Andry Rajoelina ? Ara-politika ihany sa misy antony hafa mihitsy ? Raha nisy olona tokony ho nangata-pamelana sy naneho fanetren-tena sy nifona tamin’ny fitondrana tany an-davaka ny firenena teto dia ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, kanefa toa mbola mandrehitra afo indray aza no ataon’izy ireo ankehitriny.  Ny resaka olana manokana ve no hoentina hamotehana firenena sy ny Renivohitra ? Fotoana izao tokony hananana fijery vaovao sy fifanomezan-tànana fa tsy ny hambom-po diso toerana an’olon-tokana na vitsivitsy no hanaovana takalon’aina ny firenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT