Amerikanina misahana an’i Afrika
Nandray delegasiona avy amin’ny Kaomandin’ny Tafika amerikanina miandraikitra ny raharaha ara-tafika aty Afrika (USAFRICOM), notarihin’ny Jeneraly John Brennan, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Michaël Randrianirina, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny marainan’ny 03 novambra 2026. Nanatrika izany fihaonana izany ihany koa ny Minisitry ny Foloalindahy, Jeneraly Ely Maminirina Razafitombo. Arakan y tatitry ny Fiadidian’ny Repoblika, anisan’ny nisongadina nandritra ny dinika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, indrindra eo amin’ny sehatry ny fiarovana sy ny fandriampahalemana an-dranomasina ary ny sosialy. Nifantoka manokana tamin’ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko sy ny jiolahin-tsambo ary ireo endrika tsy fandriampahalemana mety hiseho eny amin’ny fari-dranomasina manodidina an’i Madagasikara ny fifanakalozan-kevitra. Notsindriana tamin’izany fa zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fanamafisana ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ny fari-dranomasiny, indrindra manoloana ny fisian’ireo loharanon-karena an-dranomasina maro izay mety hohararaotin’ny tambajotra mpanao asa tsy ara-dalàna. Tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fiarovana ny fari-dranomasina, ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ary ny fiarovana ireo harena an-dranomasina izay ananan’ny Firenena. Raha dinihina, manana lanja stratejika lehibe ho an’i Madagasikara ity fiaraha-miasa ity. Nosy lehibe manana fari-dranomasina midadasika i Madagasikara, ka mitaky fitaovana, fahaiza-manao ary fiaraha-miasa amin’ireo firenena mpiara-miombon’antoka ny fanaraha-maso azy. Tsy resaka fiarovana fotsiny araka izany no voakasika, fa tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fiarovana ny toekarena an-dranomasina sy ny tombontsoam-pirenena. Etsy ankilany, mety hanokatra sehatra vaovao ho an’ny fifanakalozana traikefa sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Tafika malagasy ny fiaraha-miasa amin’ny Etazonia. Anisan’ny tanjona ny hahafahan’i Madagasikara miatrika amim-pahombiazana kokoa ireo loza mitatao eny an-dranomasina, indrindra ny fanondranana tsy ara-dalàna sy ny asan-jiolahin-tsambo. Marihina fa rafitra eo anivon’ny Tafika amerikanina ny USAFRICOM, izay miandraikitra ny fandrindrana ny hetsika sy ny paikady ara-tafika ataon’i Etazonia aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Tafiditra ao anatin’ny andraikiny ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-tafika sy ny ezaka ho amin’ny fandriampahalemana sy ny filaminana aty Afrika. Manamarika dingana iray amin’ny fanamafisana ny fifandraisana ara-tafika sy ara-piarovana eo amin’i Madagasikara sy Etazonia araka izany ity fihaonana tao Iavoloha ity. Na izany aza, fanontaniana mety hanitikitika ny sain’ny mpanara-baovao ny hoe : mety misy ifandraisany ihany koa amin’ireo raharaha mafana toy ny heloka an’habaka goavana nataon’ireo tambajotra vahiny avy eto Madagasikara izay nidiran’ny Amerikanina an-tsehatra ve ? Tahaka izany ihany koa ny raharaha boeing 777 ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.