ve ny vokatry ny « IZAHO TOKANA » ?
Nambaran'ny Minisitry ny Ati-tany nandritra ny fivahinianany tao amin'ny Televiziona Malagasy, ny Alahady 01 Novambra 2026, fa Malagasy maherin'ny 6 tapitrisa no efa nahazo laharana tokana fanondroana olona, tamin'ny alalan'ny tetikasa PRODIGY sy "Izaho Tokana". Etsy ankilany, mikendry ny hanavao ny lisi-pifidianana hahatratra 13 ka hatramin'ny 14 tapitrisa ny CENI. "Koa nahoana raha ampifandraisina ireo ezaka roa ireo", hoy i Fetison Rakoto Andrianirina. "Tsy midika ho mpifidy voasoratra avy hatrany ny fananana laharana tokana. Saingy mety hanampy amin'ny fanamarinana ny mombamomba ny olona, ny fisorohana ny anarana miverimberina ary ny fanitsiana ny lesoka izany", hoy izy. Manasa ny CENI ity filoha nasionaly ny antoko Roso ho amin'ny Demokrasia Sosialy na RDS ity mba "handinika miaraka amin'ireo tompon'andraikitra ny fomba hampiasana ireo angon-drakitra efa misy, ao anatin'ny fanajana ny lalàna, ny fiarovana ny mombamomba ny olom-pirenena ary ny fahaleovantenan'ny CENI". Antsoina koa, hoy izy, ny olom-pirenena hanamarina ny fisoratany anarana rehefa misokatra ny fanamarinana. "Tsy ny isan'ny mpifidy voasoratra ihany no zava-dehibe, fa ny fahamarinan'ny lisitra sy ny fitokisan'ny vahoaka aminy. Izany no fototry ny fifidianana madio sy eken'ny rehetra", hoy i Fetison Rakoto Andrianirina. Nisintona ny sain'ny rehetra ny tenany ka mametra-panontaniana hoe : ahoana no fomba azo ampiasana ny "Izaho Tokana" hanatsarana ny lisi-pifidianana, sady hiarovana ny mombamomba ny olom-pirenena ? fa izany no fototry ny fifidianana madio sy eken'ny rehetra.
Nangonin'i Jean D.
Fetison Rakoto Andrianirina, filoha nasionalin'ny antoko RDS
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.