Politique

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

 

 

Tsy tokony ho sakana amin`ny fampandrosoana kosa amin`ny alalan`ny fitantanana raharaham-panjakana sy rafitra ara-toekarena  maro samihafa. Ekena fa tsy tonga dia nanaraka ny hafainganam-pandehan`ny fitondrana ny rehetra satria niaina tao anaty gaboraraka tanaty fotoana maro. Mila ezaka ny mitarika ny fanovana toe-tsaina sy fampandrosoana ary ny olom-pirenena tsirairay ihany koa dia mila miaraka misalahy. Tsy maintsy miara-mirona satria tombontsoa iombonana no jerena. Efa ho avy ny fifidianana ben`ny tanàna ary any amin`ny fifidianana ny fifandrombahana fahefana na dia amin`ny  lafiny politika aza. Mila sarihana ny adihevitra ankehitriny dia ny amin`ireo fepetra entin`ny fitondram-panjakana amin`ny fampandrosoana sy fitantanana raharaham-panjakana. Samy mitondra ny tsikera sy ny fanatsarana ary rehefa tonga ny fifidianana dia any no mifaninana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT