Politique

Fiainam-pirenena Tsy vonona hametraka fitoniana ny Fitondrana


  • Alarobia 01 Febroary 2023

Kabary matetika mivoaka eny am-bavan’ny mpitondra ankehitriny, indrindra fa ny Filoha Andry Rajoelina ny hoe: tsy mila korontana sy krizy intsony ny firenena.

Tena mifanaraka amin’izany ve anefa ny fihetsiky ny mpitondra Fanjakana? Tena manana fahavononana hampisy fitoniana na “apaisement” ve ny Fitondrana Rajoelina? Rehefa zohiana mantsy, toa ny mpitondra mihitsy no mamboly korontana mivantana na ankolaka eto amin’ny tany sy ny firenena. Indraindray toa manao izay ankahalan’ny olona ny fitondrana. Endrika isehoan’izany io resaka fanagadrana olona noho ny resaka politika izay isan’ny nanenjehana ny mpitondra tany aloha sy nanonganam-panjakana. Misy ny fanenjehana mety ho mifandraika amin’ny heloka tokoa na “pénale”, fa misy ny hita taratra hatrany ny resaka ambadika politika. Tsy fiarovana manokana ireo olona nogadrain’ny Fanjakana toa an-dry Berija Ravelomanantsoa, Rolly Mercia, fa toa efa nokajikajiana fa any aorian’ny fifidianana vao ho afa-bela noho ny fanamelohana 44 volana avy. Ny an’I Rolly Mercia manokana izay nahazo fanenan-tsazy, ary farahafahatarany ny 16 janoary 2023 teo no tokony hivoaka ny fonja, saingy nohalavaina tsotr’izao, raha ny fanazavana efa nentin’ny mpisolovava azy. Tany amin’ny faran’ny volana septambra 2022 no nosamborina sy nogadraina I Stanley Ramarivelo notondroina ho tompon’antoka tamin’ny kaonty facebook mpiteny ratsy ny fitondrana sy manohintohina ny filaminana anatin’ny firenena, ary mandrak’ity ny androany toa tsy nisy ny fitsarana. Lasibatra hatramin’ny reniny satria nesorina tamin’ny asany. Tena atahorana hahavita hanongam-panjakana ve ilay olona sa dia famotehana fiainan’olona tsotr’izao? Iny indray ny raharaha Mahery Lanto Manandafy izay mety nisy tokoa ny ara-keloka, saingy milaza ny fianankaviany fa misy ny tsindry ara-politika,… Ampahany ireo, fa maro ny fanenjehana ireo tsy dia mitovy fijery amin’ny mpitondra, misy ny mbola any am-ponja, fa tao ihany koa ny notataovana sazy tahaka an-dry Ravo Nambinina izay voalaza izay voalaza fa efa napetrany any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny dosie maro ka sarotra ny nanagadra azy mivantana,… Ankilany, mangina ireo dosie maro mahakasika ny mpitondra toy ireo ahiahina kolikoly samihafa, ny volamena 36kg nanjavona,…
MAMBOLY KORONTANA HISIAN’NY TETEZAMITA ?
Tsy tongatonga ho azy ny fihetsiky ny mpitondra, fa heverina ho misy kajy politika avo lenta. Misy ny feo any ambadika any fa manahy mafy amin’ny fifidianana ary ambany ny herijika hahalany amin’izao zava-misy izao, ka kotrehina ny hisian’ny tetezamita, ary efa misy olona ampanaovina iraka hanao an’io. Ny Fitondrana mihitsy no ahiana ho mamboly korontana hisian’ny tetezamita, ka manao izay fihetsika mety hisian’ny fitroarana sy korontana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT