Tsy mbola ampy ny fampandraisana anjara ny vehivavy amin’ny fiainam-pirenena, hoy ny tatitry ny firenena mikambana sy ireo fiarahamonim-pirenena mpisehatra amin’izany omaly tetsy amin’ny DLC Anosy.
Tsy tratra mantsy hatreto ny tanjona napetraka mikasika ny fampiharana ny miralenta izay tokony ho 30 amin’ny 50. Ankehitriny anefa tsy tratra akory io 30 napetraka io. Vao ny 4 %-n’ny vehivavy, ohatra, no tompon’andraikitra eny anivon’ny Fokontany ka hatrany amin’ny rafitra faratampony raha 21 % ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Antony mahatonga izany raha araka ny fanazavan-dRavaozanany Noro, filohan’ny filankevitra nasionalin’ny vehivavy eto Madagasikara na ny CNFM dia noho ny tsy fankasitrahan’ireo antoko politika handrotsaka vehivavy rehefa misy fifidianana hatao. Na izany aza dia nanambara izy ireo omaly fa manantena ny hahazo vehivavy betsaka mandritra ny fifidianana senatera hotanterahina ny 29 desambra ho avy izao, hahafahan’ireto farany mitondra ny olan’ny vehivavy sy hetahetany eo amin’ny fiatrehany ny fiainana. Notsindrian’izy ireo manokana moa fa tsy hisy ny fandriampahalemana azo antoka raha tsy misy mandray anjara feno amin’ny fampandehanana ny fiainam-pirenena ny vehivavy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.