Fiainam-pirenena sy vavaka

Enga anie mba tena hiasa am-pahamarinana tokoa !


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

Nafana ny hetsika «Antsam-piderana » omaly alahady 23 jona tapany hariva tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina.

tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-64 nahazoana ny fahaleovantena io. Mpanakanto sy antoko mpihira maro avy eto an-toerana no nandray anjara sy nanafana izany, ary teo ihany koa ireo avy any ivelany nasaina manokana toa an’i Maggie Blanchard, Jean Jean. Ny mpitondra Fanjakana no nanomana sy niahy izany, ary tahaka ny mahazara dia tonga teny an-toerana ny Filoham-pirenena sy ny ankohonany niampy ireo mpitondra Fanjakana samihafa. « Miara-mivavaka ho an’i Madagasikara isika. Amim-pinoana, miara-miombom-po sy mametraka ny firenentsika eo am-pelantanan’Andriamanitra », hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Zava-dehibe tokoa ny fitondrana am-bavaka ny firenena, ary te haneho mafy izany ny mpitondra fa dia tena mitondra an’i Madagasikara amim-pinoana. Tsy mitsara fa mba manokatra adihevitra sy mametra-panontaniana ihany miainga amin’ny zava-misy hoe: tena mifanaraka amin’izay fihetsika sy sary tiana haseho izay ve ny toetra amam-pihetsika asehon’ny mpitondra andavanandro sy ny fomba fitantanana an’i Madagasikara ? Ny Malagasy mantsy dia azo antoka fa betsaka no mety manandratra vavaka na mivavaka sy maniry anakam-po mba hialan’ny firenena amin’izao lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, kolikoly isan’ambaratongany, kely tsy mba mamindro, herisetra sy setrasetra politika, ny mba hananana mpitondra tena mahalala ny marary ny vahoaka, ny mba hananana mmpitondra mahalala ny mahasoa ny vahoaka entiny fa tsy lany andro amin’ny rendrarendra sy ny seho ivelany, ny mba hananana mpitondra mahay manetry tena sy manitsy ny tsy mety fa tsy manandra-tena ho manana ny marina lalandava, ny mba hananana mpitondra, mba hananana mpitondra tan-dalàna,…


Efa nesorina tamin’ny ampahany moa ny bozaka tao Mahamasina amin’ny sisiny roa atsinanana sy avaratra. Toy ny efa fahita dia nitsahana ny kianja, ary makamaka sisiny indray angamba aloha ny resaka « homologation » andrasana amin’ny CAF.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT