Fiainam-pirenena sy fifidianana

Zava-doza ny fahakiviana, mandehana mifidy !


  • Talata 10 Desambra 2024

Fotoana isantsainana na « silence électorale » ny anio 10 desambra 2024,

iray andro mialohan’ny fotoan-dehibe hanefan’ny vahoaka Malagasy ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy rahampitso 11 desambra. Hifidy izay ho ben’ny tanàna mponina any amin’ireo kaominina 1695 manerana an’i Madagasikara. Fotoana iray ao anatin’ny 5 taona hahafahan’ny rehetra mametraka izay olona heveriny fa mendrika sy antenainy hitondra rivo-baovao ho an’ny kaominina sy ny fiainam-bahoaka. Eto Madagasikara, 30 ka hatramin’ny 40% eo ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana amin’ny ankampobeny, izany hoe : ny maro an’isa no tsy mandeha mifidy. Lasa ny olon-kafa no mipetraka eo amin’ny toeran’ny maro an’isa, manapaka amin’ny toerany,… hany ka vao mainka miha milentika ny Firenena. Betsaka ny fandemen-tsaina sy fanakiaviana, ka betsaka ny mihevitra fa efa ho resy fa aleo tsy mandany fotoana hifidy. Nanana ny safidinao ianao dia tazomy raha izay no heverinao fa marina. Tsy hahafaty anao ny 15 minitra nifidianana. Aza adino fa ianao ho kivy no tanjona. Marina fa betsaka ny ahiahy, ary tena misy ny teti-dratsy, saingy ny tsy fijoroan’ny olo-marina handresy an’ireny amin’ny alalan’ny fandehanana mifidy dia fanomezana làlana malalaka ho an’ny ratsy. Mankahala ireo olona mankeny satria isika tena mihevitra fa mifdy azy izy ireny. Tsy voatery ! Tena tonga saina izy ireny nefa koa tsy manda fanomezana. Raha mankahala azy ireny isika dia maika izy ho tezitra ka hifidy ny hafa. Mila mijoro sy mandeha mifidy, ary tena miaro sy manara-maso ny safidy tsy hahazoan’ny ratsy vahana. Mety ho hevitra fotsiny ireny hanehoana fa ho mpandresy ny mpanao azy. Isan’ny mahabe resaka ohatra ny « ordonnances » izay ahiana hanomezana tombodahiny kandida, saingy tsy hita hoe firy isaky ny birao fandatsaham-bato. Dia raha samy manao 50 avy dia efa 50 000 mpifidy. Tsy maintsy isaina isaky ny birao izany ny « ordonnances » ary tsy tokony hihoatra ny 18 000 isa, raha ny eto Antananarivo manokana. Mifandray amin’ny finday isaky ny 30 minitra amin’ny Foiben-toerana na « QG » ny delege,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT