Politique

Fiainam-pirenena sy diplomasia Tena mbola mafy i Ravalo


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Lasa any ampitan-dranomasina nihazo an’i Bruxelles sy Allemagne i Marc Ravalomanana, ka haharitra herinandro eo ho eo ny diany any, raha ny loharanom-baovao.

 

 

 

Tafiditra amin’ny fandaharam-potoanany ny fihaonana amina olona ambony samihafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, toa an-dRtoa Christine Lagarde filohan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) teo aloha. Hihaona ihany koa amin’ny Vondrona Eoropeanina. Tsy tongatonga ho azy izao fandehanan’i Marc Ravalomanana izao, izay mifandraika tanteraka amin’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Lafin-javatra roa rahateo amin’izao fotoana izao no misongadina sy manamarika ny tontolo politika eto Madagasikara, dia ny fanoherana ara-politika, izay hodinihina etsy amin’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna n°2011-013 momba ny sata mifehy ny mpanohitra, izay mbola adihevitra be. Eo ihany koa ny fifidianana, izay mbola misy akony ny efa vita, ary hirosoana ny manaraka dia ny fifidianana ben’ny tanàna ny 28 oktobra izao raha ny volavolana tetiandro navoakan’ny CENI, ka andrasana ny didim-panjakana fanaikana ny mpifidy izay tsy maintsy 90 andro farafahakeliny mialoha ny andro hanaovana ny latsa-bato. Heverina fa fifampizarana traikefa sy toromarika no anton-dian’i Marc Ravalomanana manoloana ny toe-draharaha misy, ary anisan’ny mahakasika azy sy ny antokony rahateo na ny resaka fakana ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra na ny fifidianana ben’ny tanàna. Olon’ny sehatra iraisam-pirenena i Marc Ravalomanana, ary mifandray amin’ireo tsy tapaka na tsy eo amin’ny fitondrana intsony aza. Aorian’ny diany any ivelany no heverina fa hisian’ny fandraisana fanapahan-kevitra politika lehibe ho azy sy ny antoko TIM tarihiny. Fanontaniana apetraky ny maro mahakasika azy manokana hatreto ny hoe: ho kandida ben’ny tanànan’Antananarivo sa ho lehiben’ny mpanohitra sa izy izy roa mitambatra ? Inoana fa hivaly tsy ho ela izany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT