Politique

Fiainam-pirenena Niray feo ny vehivavy HVM, MMM, TIM, PSD


  • Alakamisy 21 Septambra 2023

Nanao fanambarana iombonana koa omaly ny fikambanan’ny vehivavy anaty antoko politika miisa 4 dia ny HVM, MMM, TIM, PSD.

Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy izy ireo. Tsy takona afenina izany ary tandindonin-doza ny firenena noho ny fandikan-dalàna izay tsy henatra, tsy tahotra, tanterahana ankehitriny toy ny naneken’ny HCC ny firotsahan-kofidian’ny filoha teo aloha Andry Nirina Rajoelina na dia efa fantatra fa mizaka ny zom-pirenena vahiny izy. Eo koa ny tsy firaharahiana ny andininy faha 42 mahakasika ny zom-pirenena malagasy. Ny fanapahan-kevitra manitsakitsaka lalàna izay manome fahefana ny praiminisitra sy ny governemanta hiara-kitantana nefa ny filohan’ny antenimieran-doholona tsy nametra-pialàna akory. Midika izany aminay fa misy ny fitongilanana sy familiviliana ny lalàna ho an’ny tombontsoan’ny kandida iray tsy malagasy. Miantso antsika vehivavy, renim-pianakaviana tomponandraikitra rehetra mba tsy hanaiky izao fanitsakitsahana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy firenena izao. Tsy hiray tsikombakomba amin’ireo tsy tonga saina mpamadika tanindrazana. Ho saro-piaro amin’ny fiandrianam-pirenena, ny zo sy ny lalàna fototra misy eto Madagasikara. Ny vehivavy, ny reny no maha firenena ny firenena. Manana andraikitra isika. Mijoroa ho vehivavy sahy ho amin’ny soa iombonana ho an’ity firenena mamintsika ity, hoy hatrany ireto vehivavy avy amin’ny antoko politika samihafa ireto!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT