Nifoha tamin`ny torimasony ihany koa ireo manamboninahitra ambony misotro ronono manoloana izao fotoan-tsarotra lalovan`ny firenena izao. Kihon-dalana ho an`ny firenena tokoa ity taona 2018 ity noho izy taom-pifidianana.
Araka izany, manao antso avo ho an`ny rehetra izy ireo mba hiaina ao anatin`ny fitoniana mialoha, mandritra ary aorian`ny fifidianana. Araka ny nambaran`ny jeneraly Rakotondramanana Rene Daniel dia hita taratra tamin`ny zava-niseho teny amin`ny Antenimieram-pirenena fa miroso any amin`ny disadisa lalina ny firenena. Miantso ireo tompon’andraiki-panjakana sy ireo mpanao politika mba hametraka ambony ny tombontsoam-pirenena ka hisian’ny filaminana eto Madagasikara. Mitaky ny fanajana ny lalàmpanorenana ihany koa izy ireo. Tokony hampandinika sy hampieritreritra ny rehetra izany manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Amin`ny maha jeneraly azy ireo dia miantso ny mpitandro ny filaminana hiaro ny vahoaka sy ny fananany izy ireo fa tsy ho sanatria ho sakan’ny fiarahamonina demokratika sy tan-dalàna izay manaja ny soatoavina maha malagasy. Mametraka hatrany ny maha tandroka aron’ny vozona ny Foloalindahy ka miantso ny tafika mba hijoro hatrany hiaro ny tsy mety rehetra mba tsy hitsaran’ny vahoaka azy ireo ho herim-pamoretana. Teboka roa no navoitra tamin`ny fanambarana nandritra ny valandresaka natao tetsy Besarety omaly. Ny voalohany dia fizotran`ny fifidianana am-pahamarinana sy an-kalalahana ary ny fanajana ny zo fototry ny olom-pirenena no faharoa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.