Fiainam-pirenena

Miantehitra mafy amin’ny manam-basy ny Filoha…


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, izay ahitana ireo miaramila notsongaina manokana taorian'ny fiofanana vy very ny aina (commando) sy fahaiza-manao mampiavaka azy ireo. Nisy ny lanonana nanamarihana izany ny faran’ny herinandro teo. Natolotra ny Filohan’ny Repoblika, Lehibe Faratampon'ny Foloalindahy ny "brevet de mérite" ho fanamarihana ny herintaona nijoroan'ity vondrona ity. Natolotra ireo miaramilan'ny GFSI ihany koa ny "brevet special Apinga" ho an'ireo izay nahavita izany. Ankoatran'ny fiarovana ny Andrim-panjakana mijoro sy ny fiandrianam-pirenena dia mila miatrana manoloana ireo ambana vaovao ny GFSI hoy ny Filoha Andry Rajoelina, anisan'izany ny ady amin'ny fakana an-keriny sy ny fandravana ireo tambazotra mpitrandraka tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny ny harem-pirenena. Na izany na tsy izany, tsy finiavana hanakiana fa ny andrim-panjakana sy ny mpitondra aloha no voaaro antsakany say andavany hatreto, fa ny vahoaka mandry andriran’antsy hatrany. Ny tsy fandriampahalemana manjaka amin’ny ankampobeny, fa ny fahantrana, ny tsy fananan’asa, ny krizy ara-tsosialy samihafa, ny lonilony sy olana politika,… mihafamafy hatrany. Hatramin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI aza naneho tao anatin’ny tatitry ny iraka nataony tamin’ity volana ity fa ahiana ny hisian’ny fipoahana noho ny krizy sosialy toy ny raharaha Jirama, delestazy, olan’ny rano,… Indraindray toa lasa misy endrika mivantana na ankolaka fa ny sezan’ny mpitondra aloha no tena arovana mafy amin’ny fampiasana ireo mpitandro ny filaminana. Toa misy ny hafatra alefa any am-parahatoky ny Malagasy, fa tsy azo atao ny mitroatra, tsy azo atao ny mijoro mitaky fanovana,… eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny fa izay mianan-kendry dia efa ireo no miandry. Tsy finiavana hanakiana sy hitsikera na hisintona lakolosy, fa zary lasa fomba firesaky ny olom-pirenena rahateo ny hoe : ny manam-basy sisa no isan’ny tena mitazona ny fitondrana ankehitriny amin’ny toerany, fa raha ny tsy fahombiazany, ny tsy fahaiza-mitantana, ny krizy politika, krizy ara-tsosialy, fidangan’ny vidim-piainana, fahalovana sy kolikoly amin’ny sehatra maro,… dia efa ela no niongana izao fitondrana izao. Ny politikam-panjakana izay toa mitodika sy manome vahana kokoa ny manam-basy, raha tsy hilaza afatsy ny fanapahan-kevitra tany amin’ny fiandohan’ny taona, fa tsy hampiditra mpiasam-panjakana mihitsy anatin’ny 6 volana afatsy ny mpitandro ny filaminana irery ihany. Ireo sisa no tena ianteherana fa raha izay fanohanana sy fankasitrahana avy amin’ny vahoaka toa efa lefy hatry ny ela.. Ekena fa ilaina izy ireo, saingy inoana fa hamaha amin’ny ampahany ny tsy fandriampahalemana ny famahana ireo olam-bahoaka samihafa, ny famoronan’asa,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT