Hanatanteraka Kongresy lehibe eny amin’ny Magro Tanjombato ny Antoko Tiako I Madagasikara (TIM) tarihin’i Marc Ravalomanana ny zoma 12 sy ny sabotsy 13 jolay izao.
Fanamafisana orina ny antoko, toy ny fanatsarana rafi-pitantanana, fiatrehana ny raharaham-pirenena, famoahana fehin-kevitra lehibe,… no heverina fa hivoitra ao anatin’io. Isaky ny 5 taona ny zaikabem-pirenena araka ny sata mifehy ny antoko TIM. Raha tsiahivina, ny 22-23 mey 2015 no nisian’ny zaikabe farany ho azy ireo. Nisy ny mety fiovana tao anatin’izay 5 taona izay, toy ny fametraham-pialan’ny Sekretera jeneraly ny 6 febroary tamin’ity taona ity, ka nametrahana ny sekretera jeneraly vonjimaika dia ny loholona Ramalason Olga ny 8 aprily 2019 lasa teo. Ny 01 jolay teo ny TIM no nametraka taratasy ofisialy sy nanao fanambarana fa ho mpanohitra. Heverina fa hifandraika amin’ireny ny zaikabe izay hatao, indrindra fiomanana ihany koa amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izay ho avy. Marihina fa ny Kongresy no rafitra mpanapa-kevitra ambony, indrindra amin’ny antoko politika. Kihon-dalana lehibe iray ho an’ny TIM sy ny tontolo politika eto Madagasikara noho izany ity Kongresy lehibe ity satria ny TIM no anisan’ny antoko matanjaka eto Madagasikara, izay efa ho 20 taona latsaka kely nijoroana izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.