Matoa miroborobo ny fanodinkodinam-bolam-panjakana dia satria tsy fantatry ny mpanara-maso marina ny lalàna nolaniany. Rehefa nametraka ny programan’asany ny governemanta dia faly ny solombavambahoaka satria misy mangirana kely ho an’ny faritra niaviany ny asa.
Ny PGE nolaniana tsy nisy sora-bola nefa ny lalàna momba ny fitantanana ny vola no atao. Ny governemanta dia nampirisika ny depiote handany ny programany fa ny depiote tsy mba nieritreritra fa ny fiainam-bahoaka no eo am-pelatanany Mahazaka ny fandaniana atao ve ny vola miditra hokirakirain’ny fanjakana ? Raha tsia, avy aiza ny loharanom-bola ? Manao ahoana ny fipetraky ny trosa samihafa raha hiditra trosa ? Matoa mandalo fotoan-tsarotra ny firenena dia tsy mifandanja ny fandaniana sy ny ampidirina. Vinavinaina ho 15% ny fidiran-ketra antenaina ao anatin’ny telo taona dia inona amin’ny fampiasam-bola no zakan’izany ? Firy isan-jaton’ny vola ampiasaina ny fanampiana avy any ivelany amin’ireny ny trosa ? Be mpanangan-tanana fotsiny ao Tsimbazaza. Ny fisehoan-javatra tany Ambohimasina nahavoarohirohy an’i Claudine Razaimamonjy dia porofo iray fa tsy fantatry ny mpanara-maso marina ny lalàna nolaniany. Tsy mba efa naka lesona ve ireo solombavambahoaka ? Ny fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana, ny ady amin’ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana, ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa tranainy dia tsy fampandrosoana fa fitaizana ny simba tsy hirodana kanefa ireny no hitrosana vola. Rafitra mamelona amin’ izay miankina aminy fotsiny fa tsy mitondra firenena raha mitohy. Amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka tokoa no hamolavolana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra ho an’ny taona 2020 ary fantatra fa efa mandinika amin’izany ireo minisitera ankehitriny. Tokony hisintona lesona tamin’ny fotoam-piasana teo aloha ny depiote mba hahafahana mametraka ho ambony hatrany ny tombontsoam-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.