Politique

Fiadidian’ny Repoblika Nosoloina ihany koa ny Sekretera Jeneraly


  • Zoma 10 Martsa 2023

Taorian’ny fanoloana ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika ny herinandro teo, dia niova ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika na ny SGP.

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly alakamisy 09 martsa 2023 ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-441 tamin’ny 30 martsa 2022, ary manendry an’ Andriamatoa Fanohiza Claude, ho Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika. Nesorina tamin’ny toerany izany Rtoa Pelandroy Esperance herintaona latsaka kely taorian’ny nandraisany io toerana io. Izy no nisolo an-dRamonjavelo Valery izay mbola mpikamban’ny MMM tamin’izany, ka niala vao nisintaka ny Minisitry ny fanajariana ny tany Atoa Hajo Andrianainarivelo. Niala tsy ho MMM indray taty aoriana, ary izy lasa minisitry ny Fanatanjahantena anatin’ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian io. Mikasika ny SGP vaovao kosa, dia isan’ny nahafantarana azy ny Fitarihany ny Fondation Tany Meva fantatra amin’ny resaka famatsiam-bola momba ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, ary niara-niasa akaiky tamin’ny AFD (Agence Française de Développement) sy ny Vondrona eoropeanina. Efa Tale mpanantanteraky ny Transparency International Initiative Madagascar ihany koa ny tenany,... Raha raisina amin’izay, dia heverina ho misy karazana pimaso ara-politika amin’ny iraisam-pirenena ny fametrahana azy.
Legende : Atoa Andriamatoa Fanohiza Claude no SGP vaovao misolo toerana an-dRamatoa Pelandroy Esperance
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT