Fiadidian’ny Repoblika

Niaro mafy an-dRajoelina , efa tsy Filoha intsony…


  • Talata 14 Novambra 2023

Nikorapaka ny mpitondra, ka niezaka nanao serasera maika miaro mafy an’i Andry Rajoelina.

Nilaza ny Tale Kabinetra mpisolo toeranan sady Talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika sady mpitondra tenin’ny Filoha teo aloha Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro, fa « Fake news » na vaovao tsy marina nambaran’ny kandida Paraina Auguste momba an’i Andry Rajoelina izay nambaran’iry voalohany fa voaantso any Londres amin’ny 30 novambra momba ilay raharaha kolikoly tamin’ny oriansa Gemfields, nisamborana an-dRtoa Romy Voos Andrianarisoa. « Raha misy zavatra tiany hambara mahakasika an’i Andry Rajoelina dia afaka miantso ahy izy mba tsy hiteniteny foana fa mba olona manana ny maha-izy azy ihany eto amin’ny firenena ihany », Ramatoa Lova Hasinirina Ranoromaro. Somary hafahafa ihany ny fipetraky ny fitondrana setriny rehefa halalinina. Fanambarana tamin’ny anaran-dRtoa Lova Hasinirina Ranoromaro ve io sa amin’ny alalan’ny Fiadidian’ny Repoblika ? Manamafy ny Fiadidian’ny Repoblika, fa mbola misy dian-tànan’i Andry Rajoelina sy baikony ao anatin’ny fitantanan-draharaha ary mbola mandray ny baikony ny eo amin’ny fitantanana na efa tsy filoha intsony aza i Andry Rajoelina ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT