Fiadidian’ny CUA

Mbola mandrangitra ilay mponin’Antananarivo ihany


  • Talata 23 Janoary 2024

Eo am-piandrasana ny fanendrena izay ho Filohan'ny delegasiona manokan'Antananarivo

dia manohy ny asa andavanandro ny Kaominina Antananarivo renivohitra, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ity kaominina ity omaly. Ny Boriboritany rehetra ihany koa dia manohy ny asany hatrany ary mandray sy misokatra ho an'ny mponin'Antananarivo Renivohitra, hoy ny fanentanana. Raha ho an'ny Boriboritany voalohany manokana dia manao hetsika fanampiana ireo mpikarakara taratasy, indrindra fa ny taratasim-panadinana. Ny volana janoary ka hatramin'ny volana martsa no tena betsaka ireo milahatra "bulletin de naissance" na fanamariham-pahaterahana. Mahatratra 500 isa isan’andro izany. Eny anivon'ny boriboritany no miandraikitra ireo taratasy rehetra manomboka amin'ny fahaterahana ka hatramin'ny fahafatesana, ny fanamarinan-tsonia na "légalisation" ary ireo "certification". Araka ny voalazan'ny delegen'ny boriboritany voalohany, Andriamparany Cathrina Margareth, dia nanavao ny fomba fiasa ny boriboritany amin'ny fandraisana ireo olona sy ny fanaraha-maso izay mety ho endrika kolikoly mba hampitomboana ny vola miditra amin'ny kaominina, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nanamarika moa ny Kaominin’Antananarivo renivohitra fa miezaka hatrany manome fahafaham-po ny mponin’Antananarivo nefa ny fako mihitsy no tsy nety voaroaka fa nitombo fatratra hatrany tao anatin’izay 4 taona mahery izay. Ilay fiadidiana ny Kaominin’Antananarivo renivohitra kosa, etsy ankilan’izay, mbola mandrangitra ilay mponin’Antanarivo ihany.
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT