Politique

Fiadidiana ny Praiminisitra Manoro Régis no talen'ny kabinetra ?


  • Alakamisy 03 Novambra 2011

Nivoaka ny resaka hatry ny afak'omaly sy omaly fa i Manoro Régis, mpitondra tenin’ny ankolafy Zafy Albert, no ho talen'ny kabinetra eny anivon'ny fiadidiana ny praiminisitra.

 Raha nanontaniana mikasika ity resaka ity ny Dr Emmanuel Rakotovahiny, lehiben’ny delegasiona Zafy, dia sady tsy nanamafy no tsy nandiso ihany koa. Nolazainy fa ho hita eo ihany izany. Tsy izay ihany fa mikasika ireo mpiara-miasa amin'i Omer Beriziky dia fantatra fa miainga avy amin'ny profesora Zafy ny fanendrena rehetra. Omaly anefa nandritra ny famindram-pahefana nataon'ny praiminisitra teo aloha sy ity vaovao ity dia nilaza i Beriziky fa tsy an'ny ankolafy Zafy intsony izy fa an'ny Malagasy rehetra. Ho hita eo, araka izany, izay marina satria hita taratra amin'ny mpiara-miasa izay voatendry tsy ho ela ny mikasika ity resaka ity. Toa manaporofo ilay voalaza etsy ambony mantsy ny firodorodon’ireo olon'ny profesora Zafy Albert, izay tonga maro teny Mahazoarivo omaly.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT