Raha 60.000 ariary ho an’ny olona iray no vidin’ny sakafo mora indrindra ao amin’ny hotely Colbert izay hikarakara ny sakafo ho an’ireo vahiny nasaina ho eny Iavoloha ny zoma faha 8 ny volana janoary ho avy izao mandritra ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona ataon’ny
fiadidiana ny Repoblika, dia tsy ho latsaky ny 90 tapitrisa ariary izany ny vidin’ny sakafo raha toa ka 1500 araka ny voalaza ny isan’ireo olona nasaina. Ary raha zava-pisotro mitentina roa alina (40.000 ariary) isaky ny olona 10 , izany hoe latabatra iray kosa indray no atolotra dia manodidina ny 6 tapitrisa ariary izany ny ho lany amin’ny zava-pisotro . Mbola tsy ao ny zava-pisotro mafanafana lafo vidy hafa sy ny kojakoja madinidinika izay hampidangana hatrany ny vola lany.
Tsy mahay manetry tena !
Eo indrindra no mahatonga ny resaka mandeha ankehitriny hoe sao dia mba tokony hanao toa an’i Tanzania izay nanao fanahy iniana tsy nankalaza amin’ny fomba manetriketrika ny fetim-pireneny ny 9 desambra farany teo koa aza i Madagasikara. Tany Tanzania ny volana desambra lasa teo dia namoaka didy ny filoham-pirenena any an-toerana fa tsy misy mahazo manao fandaniana amin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena ny an-tanatohatry ny fahefana rehetra. Ary rehefa tsy nanao fety ihany dia fandiovana ny tanàna nanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena. Mitsitsy vola kokoa ny fitondram-panjakana malagasy raha mahasahy mandray fanapahan-kevitra toy izany ary ho fanamarihana ny fandraisana ny taona vaovao dia midina eny Analakely ny Filoham-pirenena mitarika ny fanadiovana ny tanàna. Inoana marimarina fa hiova tanteraka ny fijerin’ny vahoaka ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina. Saingy indrisy tsy mbola io fitondram-panjakana io no hanana fahasahiana sy fanetren-tena toy izany. Mamy ny fetin’ny mpitondra na dia efa maty ny mosary sy ny tsy fandriampahalemana ao anatin’ny loto aza ny Malagasy.
Andry RatovoTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.