Hatramin’ny nanapahany hevitra ny hiala tao amin’ny ankolafy Ravalomanana dia tsikaritra fa miha adino eo amin’ny sehatra politika Atoa Fetison Rakoto Andrianirina, izay anisan’ny azo atao hoe mpanao politika nanana ny maha izy azy tao anatin’ny roa taona teo amin’ny fanoherana ny FAT.
Araka ny nambarany moa dia nanolo-tena ny hanelanelana izy koa noho izany tsy mety aminy ny mijanona ao anatina ankolafy politika. Ary dia nihaona tamin’ireo karazana firehana sy vondrona politika tokoa Atoa Fetison tao anatin’ny roa volana teo, dia tsy hita tabilao intsony avy eo. Misy ihany ny fanehoan-kevitra sy fanambarana ataony amin’ny haino aman-jery sy ny gazety isan-kazarany saingy hita ho tsy mampiraika ny olona loatra ilay izy. Somary nihazakazaka koa moa ny toe-draharaha, ary tena niova endrika mihitsy ny fanelanelanana sy famahana ny krizy malagasy nataon’ny SADC koa mety ho izy angamba no nahatonga ny olona tsy niraika firy tamin’ny asa fanelanelanana saika hataon’i Fetison Rakoto Andrianirina.
Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa fa tena nampihena ny lanja politikany ny fisintahany tao amin’ny ankolafy Ravalomanana, satria sady mampiahiahy ireo zanak’i Dada izy no tsy atokisan’ny FAT sy ireo ankolafy politika hafa, fa sao mantsy be fitetika. Ary ankehitriny dia vao mainka tsy hita tabilao Atoa Fetison satria iandraiketan’ny Troika tanteraka ny asa fanelanelanana, tsy misy intsony, raha ny fahitana ny fizotry ny raharaha amin’izao fotoana ny hoe fifanatonana ilaina mpanelanelana eo amin’ireo ankolafy politika, efa nifanaiky izy ireo mantsy ary nanasonia, ka ampiharina amin’izay izao. Manara-maso izay mitady hibolila sy hihoa-pefy ny sehatra iraisam-pirenena, miaraka amin’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena, fa tsy misy intsony hoe olona mandeha singany hanelanelana izany.
Azo ambara, araka izany, fa diso paik’ady ihany Atoa Fetison Rakoto Andrianirina, niala tao amin’ny ankolafy Ravalomanana ka nanolo-tena ho mpanelanelana satria efa vita ny asa rehetra mifandraika amin’izany. Maro anefa no nahita fa anisan’ireo mpanao politika tsara toerana amin’ny fanendrena praiminisitra ity filohan’ny delegasiona Ravalomanana teo aloha ity ary tena ilaina ao anatin’ny rafitry ny tetezamita, kanefa dia izao izy mijery baolina izao sisa fa tsy tafiditra eny an-kianja intsony. Hatramin’izao moa dia mbola manitikitika ny maro ny hoe : tena hanelanelana marina ve no antony nialan’i Fetison Andrianirina tao amin’ny ankolafy Ravalomanana sa nisy antony hafa ? Raha tafaverina eto Madagasikara Atoa Ravalomanana dia hiverina hiaraka hiasa aminy ve Atoa Fetison sa ahoana ? Ho hita eo ihany ny ho tohin’ny tantara. Ankehitriny aloha dia tavela eny amin’ny sisiny ingahy Fetison amin’izao fotoana. Izy rahateo moa raha nanolotena ho mpanelanelana dia nilaza tsy handray anjara anaty tetezamita.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.