Politique

Fetison Rakoto Andrianirina “Tsy maintsy mampanova lalam-pifidianana ny filoham-pirenena”


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Raha miezaka ny hitana ny teny nomeny ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, dia tsy maintsy mampanova ny lalam-pifidianana izy, hoy ny filohan’ny antoko politika Roso ho an’ny demokrasia sosialy na RDS, Fetison Rakoto Andrianirina.

Mba handraisan’ireo mpila ravinahitra na diaspora anjara amin’ny fifidianana manaraka eo no tiana ho resahana, hoy izy. Rehefa hanova ihany dia andeha hatsaraina izay tokony hatsaraina, hilamina. Ny RDS dia tsy mankasitraka ny fanomezana ny asa fanontana ny karapanondro ivelan'ny tranompirintim-pirenena ary mametraka ny ahiahiny amin'ny fomba nanoloana ny mpitantana izany rafitra izany, indrindra, mandritra izao hetsika fanomezana sora-piankohonana sy karapanondro izao. Ho sarotra ny hifehy ny fanatanterahana sy hatoky an'izao fomba fiasa izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT