Politique

Fetison Rakoto Andrianirina “Olona tsara sitrapo, hampandresy ny soatoavina no ilain’ny firenena”


  • Zoma 14 Oktobra 2011

Manoloana ny fihitsoky ny famahana ny krizy eto amintsika dia manao antso avo ho an’ireo tsara sitrapo i Fetison Rakoto Andrianirina mba hirosoana haingana amin’ny fampiharana ilay sori-dalana nosoniavina.

 Safidy roa ihany no misy, indrindra ho an’ireo mpanao politika, hoy izy dia na hangina na hifantoka amin’ny fomba sy ny fitaovana hanatanterahana ny fampiharana ilay sori-dalana. Io ihany, araka ny fanazavany, no hany varavarana manokatra ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Heverin’i Fetison fa tokony hasintaka ireo volo mpanoha randrana, zary lasa sakana ho an’ny fiandohana fametrahana rafitra tetezamita tsy mitanila fa hiaraha-manana sy mitantana. Mila manokatra maso sy mihoatra ny zavatra rehetra isika, hoy ihany i Fetison Rakoto Andrianirina. Olona tsara sitrapo, hampandresy ny soatoavina dia ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy no ilain’ny firenena.

Nangonin’i Soa
.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT