Politique

Fetison Rakoto Andrianirina Nametraka ny ahiahiny


  • Alarobia 02 Novambra 2011

Toa tsy nisy “courage” politika tamin’ny fanendrena ny praiminisitra.

 Hita be fa sarotra ny nahazoana ny marimaritra iraisana satria anisan’ny paipaika natao ny hanalefahana ny herin’ny mpanohitra, dia ny firaisankinan’ireo ankolafy telo, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina manoloana ny fanendrena an’i Omer Beriziky ho praiminisitra. Mbola asa goavana miandry ny fananganana ny governemanta izay mitaky fandanjalanjana ara-politika matotra, izay tsy tokony hifototra amin’ny olom-bitsy fa tokony ho taratra ao tokoa ilay ho etsy momba ny atsy na ny aroa izay hany antoka hahatrarana ny tanjona dia ny fametrahana ny demokrasia. Mitaky ny tena fitiavan-tanindrazana marina izany, hoy ihany i Fetison Rakoto Andrianirina mba hamerenana ity firenena ho amin’ny tokony ho izy. Manoloana izany rehetra izany anefa dia mipetraka ihany ny ahiahy tsy hihavanana, hoy i Fetison. Mbola eo foana mantsy ireo paipaika politika sy adivarotra tsy nahitam-bokatsoa, eo koa ny tsy fahatongavan-tsain’ny sasany izay mihevi-tena ho nailika.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT