Politique

Fetim-pirenena 26 jona Hosokafana amin’ny fotoam-bavaka ny ao Talatamaty


  • Talata 06 Jona 2023

Hiavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona amin’ity taona 2023 ity ho an’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

Fotoam-bavaka lehibe ho fangatahim-pitahiana ho an’ny firenena no hanokafana izany rahampitso Alarobia 07 Jona izay vavaka iraisam-pinoana raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic. Hitohy amin’ireo hetsika ara-toekarena sy ara-tsosialy maro samihafa izany ho fanomezana fahafaham-po ny mponina raha efa mandeha kosa ny fifaninana ara-panatanjahantena toy ny lalao baolina kitra ho an’olona miisa 9. Ho an’ity farany manokana dia ireo Fokontany 12 isa mandrafitra ny kaominina no indray miara-mandray anjara amin’izany ahitana sokajy telo dia ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe. Hisy ny koa ny didim-poitra faobe izay tsy handoavam-bola fa maimaim-poana ho an’ireo zazalahy kely rehetra mbola tsy voafora ao anatin’ny kaominina. Arahin’ny Ben’ny tanàna fizarana kilalao sy vatomamy ho azy ireo izany entina hanalana fahasahiranana ny Ray aman-dReny. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fizarana solombody akoho ho an’ireo zokiolona sy sakafo ho an’ireo sahirana. An-jatony ireo hisitraka izany mandritra ny andro maromaro raha tsy hohadinoana ihany koa ny fisian’ilay foara-bokatra lehibe entin’ireo tantsaha mpamokatra hampirantiana sy hampahafantarana ireo vokatra novokariny nandritra ny taom-pambolena iray. Hofaranana amin’ny matso lehibe handraisan’ireo fikambanana sy sekoly maro samihafa anjara ny lanonana ny datin’ny 25 Jona, arahin’ny Ben’ny tanàna fanaovana tatitra mikasika ny asa vitany mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT