Politique

Fetim-pirenena 2023 Miaritra ny gasy !


  • Talata 27 Jona 2023

Samy mimenomenona eny anaty tambazotran-tserasera eny. Mahay manararaotra mamoaka ny alahelony

manoloana ny zava-misy ihany koa rehefa sendra mba toloran’ireo mpanao gazety fandraisam-peo hisehoana na ho haino anaty haino aman-jery. Misy manompa sy miteny maloto mihitsy ary tsikaritra ho miha maro izany tato ho ato, indrindra, mikasika ity resaka JIRAMA ity saingy miafina any anatin’ilay antsoina hoe «kaonty fako», araka ny fiantso azy any anaty tambazotran-tserasera moa no tena betsaka. Ity fetim-pirenena 2023 ity no tena nahenoana malagasy maro nilaza fa resy manoloana ilay zava-nisy ary moa ireo manangana saina fotsy mihitsy ho fanehoana izany. Mahatsiaro ho resin’ny fidangan’ny vidim-piainana. Resin’ny fangirifiriana amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fihariana tsy zarizary saingy na izany na tsy izany anefa dia hita koa fa tena miaritra ny gasy na ilay malagasy, hoy ny fitenenana tato ho ato izay. Tsy ahoany izay fihariana potika any fa iaretany. Tsy raharahiany izay tsy fandriampahalemana aterany any fa ihafiany. Tsy mampihontsona azy izay vidim-piainana miakatra any fa reveny milamina eo ny azy, hoy ny fitenin’ny tanora izay. Tsy isany saina izay laingalainga sy fampiesonana ataon'ny mpitondra fa ihomehezany fotsiny, araka ireny kisarisary fanehoan-kevitra maro hita eny anaty tambazotra ireny hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT