FES Madagascar

«Fifidianana tsy natokisana midika filoha tsy marin-toerana…»


  • Alakamisy 07 Desambra 2023

Namoaka ny Gazetiboky politikà andianiny faha-34, izay andiany farany ho an’ity taona

ity ny Friedrich Ebert Stiftung na ny FES Madagascar omaly. "Présidentielle 2023 : sortir de l'impasse" no lohaten’ity andiany ity, izay nifanojo tamin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana ity andiany ity, ka isan’ny misongadina ny zotra sy ny raharaham-pifidianana, toetoetry ny olona tokony ho mpitarika sy mpitondra firenena,... Notsikafonin’ny FES, fa tsy nanjakan’ny demokrasia ny fifidianana, tsy azo hamaivanina ny fahavitsian’ny olona, ny tsy fahatokisana ireo rafitra miantsoroka ny fifidianana,... « Ny demokrasia sy ny fifidianana dia miteny fa na 10% aza ny mpifidy mandray anjara ka mifidy mpanao politika iray, dia iny no lany, saingy tadidio ny fahamarinan-toerana na « légitimité » an’ilay Filoham-pirenena », hoy ny Tonian-dahatsoratry ny Politikà Raoto Andriamanambe. Raha hipetraka izay fahamarinan-toerana izay dia mety ho avy amin’ny fihetsik’ilay filoha, toy ny mety ho fisokafany amin’ny lafin-kery maromaro, raha ny nambarany. Nomarihin’ny FES moa, fa tsy azo tsinontsinoavina ilay antso tsy fandraisana anjara na « boycotte » tamin’ny fifidianana, tsy fahatokisan’ny mpifidy ny zotram-pifidianana, tsy fahatokisan’ny olom-pirenena ny politika kanefa io no mifehy ny zava-drehetra. Rehefa tsy mandeha ny politika dia tsy mandeha ny lafiny maro toy ny toekarena satria ny politika dia lamina hitantanana ny tanàna, hoy hatrany ny fanazavany. Noho izany, naneho ny FES fa mila mifandinika sy miresaka, mizara an-databatra boribory mba hamahana ny olana, ary tsy tara raha izao no mandinika izany satria miverina foana ny olana, ary efa betsaka ny fisintonana lakolosy. Azo vahana ireo teboka maro miteraka olana, hoy hatrany ny FES Madagascar.
84% NILAZA FA TSY MILA FILOHA VAHINY
Isan’ny notaterin’i Alain Désiré Rasambany kosa fa ny 84% amin’ny olom-pirenena nanaovana fanadihadiana no namaly fa Filoham-pirenena tena Malagasy no ilainy fa tsy filoha manana zom-pirenena hafa. « Tsy mety amin’ny Malagasy ny manana Filoham-pirenena vazaha satria mety tsy ho afaka tena hiaro ny tombotsoan’ny Malagasy », hoy izy. Nisy pitsopitsony maro samihafa napetraka tao anatin’ny fanadihadiana, toy ny mari-pahaizana sy fahaizan’ilay filoham-pirenena, ny fahaizany mitarika, ny fahafahany manana fijery lavitra, ny fanatanterahany ny soatoavina tokony hajaina toy ny fandavana ny kolikoly, tsy fanekena ny tsy maty manota, ny fahaizana mijery ny laharam-pahamehana ho an’ny firenena,… raha ny fanazavana. Rehefa zohiana, tsy dia nifanaraka tamin’io ny mason-tsivana nifidianana ny filoha tamin’ny fifidianana teo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT