Nampiapaka-peo ny ankamaroan’ireo depioten’i Madagasikara vitsy tonga nanatrika ny fivoriana ara-potoana hatrehana eny Tsimbazaza omaly ny resaka nanodidina ny fepetra fifidianana senatera napetraky ny Ceni handavorariana izany.
Nitondra ny tatitry ny fifampidinihana nataon’ny birao maharitr’ity rafitra ity tamin’ireo mpikambana Ceni notarihan’ny filohany tamin’ny alatsinainy teo teny Alarobia ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritanin’Antananarivo, ny depiote Hanitra Razafimanantsoa ka nanazava mazava fa ny fanafoanana ireo vata fandatsahambato isaky ny kaominina kasain’ny Ceni hapetraka eny amin’ny distrika no takian-dry zareo ho foanana mba hisian’ny mangarahara sy hialana amin’ny kajikajy politika samihafa ataon’ny eo anivon’ny fitondrana. Nisy ampahana depiote izay fantatra fa mpanohana fitondrana nanakiana avy hatrany ity hetsika nataon’ny birao maharitry ny Antenimiera ity izay nambaran-dry zareo fa hevitra tsy nifampierana akory na dia olona nofidian-dry zareo ara-dalàna aza ireo mpikambana amin’ny birao maharitra ireo. Efa io no eo, hoy ry zareo ka tokony hohajaina izay eo. Namaly bontana kosa ny depiote maromaro izay niaro ny fonjan-kevitra nentin’ny birao maharitra teny amin’ny Ceni. Nilaza mazava, ohatra, ny depiote Raharimanarivo Voahanginiaina hoe : “Amiko izany aloha dia mimenomenona daholo mihitsy, na ireo mpifidy na ny vahoaka tsotra, fa tsy nisy ohatran’ity hatramin’izay nisian’ny fifidianana teto fa aiza ve ka « circonscription » iray nefa ny vata fandatsaham-bato dia isaky ny kaominina ? Nahoana no rebirebeny ohatra izany ny olona fa tsy nasiana birao koa tany amin’ny kaominina. Amiko dia misy kajikajy tiana atao ao ka tsy mety mihitsy ilay izy fa manjaka ny teritery samihafa ka ho hita eo izay ben’ny tanàna na mpanolotsaina na kaominina mihitsy aza hoe tsy nifidy ny olon’ny fitondrana dia tsy homena n’inona n’inona nefa izay no tena ialana eto amin’ny firenena. Miady amin’ny mangarahara isika mba tsy hisian’ny kolikoly ka aoka mba halalaka fa tsy hisy teritery ohatr’izany fa aleo misoroka toy izay mitsabo fa raha vita eo aza io fifidianana io dia ho avy indray ny fanakianana samihafa”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.