Feno toerana banga eny Tsimbazaza

Mbola misy depiote mpisolo toerana tsy tafakatra


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2025

Anaty ny tolom-bahoaka natosiky ny Gen Z

isika amin'izao vanim-potoana izao. Tafapetraka amin'ny toerany ny Filoham-panjakana Col Randrianirina Michaël ary afaka misahana ny fanorenana ifotony araka ny fitakian'ireo mpitolona sy ny Vahoaka Malagasy. Isan'ireo nangatahina teny amin'ny Kianjan'ny 13 Mey moa ny fanavaozana rafitra eny anivon'ny Antenimieram-pirenena. Voafidy hitarika izany ny lehiben'ny mpanohitra Siteny Randrianasoloniaiko taorian'ny fandravana ny Birao maharitra izay notarihan'i Tokely Justin. Araka ny fampitam-baovao eny an-toerana anefa dia mbola misimisy ireo seza banga eny anivon'io Andrim-panjakana io. Tao ireo depiote lasa minisitra. Nisy koa no nindaosin'ny fahafatesana tahaka ny solombavambahoaka voafidy tany Betioky Atsimo, Rabenirina Jean Jacques, izay tsiahivina fa isan'ireo namoy ny ainy tamin'ny Hetsi-bahoaka farany teo. Misy ihany koa ny depiote naiditra am-ponja noho ny heloka bevava, toa an'i Ramanatanana Roméo Christophe voafidy tany Soavinandriana Itasy. Tsiahivina fa ity farany dia nidoboka am-ponja rehefa tratra nitondra sokatra an-tsokosoko ka misazy 10 taona an-tranomaizina sy lamandy 60 tapitrisa Ariary no azony, miampy onitra 2 lavitrisa Ariary, araka ny didim-pitsarana navoakan’ny PAC (Pôle Anti-corruption). Voambolana nalaza moa ny hoe "fahabangan-toerana" ka nandray ny andraikiny ny teo anivon'ny ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Araka ny andidiny faha-71 amin’ny lalàmpanorenana dia mametra-pialana avy hatrany ireo solombavambahoaka voatendry ho minisitra na koa ireo sendra ny loza samihafa. Noho izany, andrasana ny fandraisan'ny HCC fepetra mifanaraka amin'izany eo anivon'ny Antenimieram-pirenena mba tsy handringa ity Andrim-panjakana ity ary hiasa araka tokony ho izy ho an'ny vahoaka ka tokony hampiakatra ireo depiote mpisolo toerana.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT