Feno 51 taona

“Tsy hihemotra amin’ny tolona ny MFM”


  • Alakamisy 28 Desambra 2023

Nomarihina tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Soanierana omaly ny faha 51 taonan’ny

antoko politika MFM na Mpitolona ho an’ny fandrosoana eto Madagasikara. 27 desambra 1972 - 27 desambra 2023. “...Lazao amin’ny zanak’Israely mba handroso.”. Izay tenin’ny soratra masina ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Eksodosy: 14-15b izay moa no teny filamatry ny antoko. Niarahaba ny mpiara-mitolona rehetra manerana an’i Madagasikara ny foibe sy ny komity foibe MFM ary nampahatsiahy fa Itompokolahy Manandafy Rakotonirina no nanorina sy ny nitarika ny antoko tany am-piandohana hatramin’ny fotoana nodiany mandry. Mijoro, hoy ny antoko, ny vato nasondrotry ny tany ankehitriny hilanja ny faneva hametraka ny foto-kevitra nijoroan’ny antoko hatramin’izay ary tsy miova hatramin’izao. Isany ny fanadiovana ny tokontany mialohan’ny fifidianana. Handray anjara amin’ny fifidianana isan’ambaratonga ho avy eto amin’ny firenena aorian’ny teti-pandaminana ifampierana ny antoko. Mankahery hatrany ny vovonana ho amin’ny fifampidinihana sy ny fanelanelanana PAN-FFKM hikaro-dalana hirosoana amin’ny fifanarahana politika ifampierana, andaniny. Miantso ny antoko politika tia tanindrazana rehetra tsy anavahana hampandefitra ny ambom-po ka hiara-mihevitra sy hiara-mamaritra ary hiara-misalahy ao anatin’ny mandatehezana mandala ny teny ierana ho amin’ny fiovana sy fanovana, ankilany. Mizara 2 ny dingana irosoana. Fanamafisan’orina ny fitsanganan’ny “Mandatehezana mandala ny tenierana ho amin’ny fiovana sy fanovana na MT2F. Fiaraha-mihevitra sy fiaraha-mamaritra ary fiaraha-misalahy hirosoana amin’ny fikaonan-doha hiteraka ireto fanapahana tanisaina manaraka ireto dia ny fifanarahana politika hamaritana ny teti-pandaminana ifampierana, ny fananganana vaomiera tarihin’ny antenimiera hitantana ny fiaraha-misalahy ho fanatanterahana ny teti-pandaminana notinapaky ny fikaonandoha, fandrosoana sosokevitra mikasika ny lamim-pifidianana tsy anilihana enti-mandamina ny raharaham-pifidianana filoham-pokontany, ben’ny tanàna, lehiben’ny faritra, solombavambahoaka, loholona, filoham-pirenena. Tsy hihemotra amin’ny tolona mikatsaka mandrakariva ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana ny MFM, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT