Politique

Fehin-kevitra ny K3F tany Fianarantsoa Apetraho ny fahamarinana hiadanan’ny vahoaka


  • Alakamisy 19 Aprily 2018

Miombon-kevitra ary namaly ireo fanambarana sy antso nataon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara sy ny FFKM tamin’ny taona 2017 mahakasika ny fiainam-pirenena izay mikorosy fahana amin’ny lafiny maro:

 

 fandrobana ny harem-pirenena,                                                          tsy fandriampahalemana, kolikoly, fitantanana  gaboraraka, faharavan’ny  sosialim-bahoaka, fidangan’ny  vidim-piainana,… ireo rehetra niatrika ny atrikasa “Fanavotam-pirenena tena izy” nokarakarain’ny K3F (Komidin’ny Fahamarinana Fandriampahalemana Fiadanana). Niara-nahatsapa ny mpivory fa tsy vitan’ny  tompon’andraikitra ara-panjakàna ny mametraka ny fahamarinana sy ny  fandriampahalemana ary  ny  fiadanana eto amin’ny Firenena. Nasongadina ihany koa fa ny fanarenam-pirenena  tena izy dia mitaky firosoana amina lafin-javatra telo, izay misy fepetra samihafa takiana ao anatiny, dia ny fampanjakana ny fahamarinana, fametrahana ny fandriampahalemana mizotra makany amin’ny fiadanana. Takiana ao ny Fitsaràna  madio tsy baikon’ny vola sy ny tsindry  samihafa, fananan-tany  miaro ny zon’ny  tompontany sy mpandova  teratany, Sampan-draharaham-panjakàna  lavitry ny kolikoly ary manompo  marina ny vahoaka,… atao fanamby ny hamerina  indray  eto amin’ny tany sy ny firenena ny kolotsain’ny “tain’omby  mivadika  manan-tompo”.  Mbola anaovan’ny  mpizaika  tatitra  amin’ny  vahoaka  hahazoany  mandray  andraikitra. Eo ihany koa ny resaka fandriampahalemana, ka nivoitra ny hoe ampy izay ny rà latsaka. Isan’ny takiana ny fanatsarana ny rafitra amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra miala eny ifotony. Momba ny fiadanana kosa, dia tokony hapetraka ny Apetraka ny rafi-papandrosoana  isan’ambaratonga  hitsinjaràna  ara-drariny  ny harem-pirenena, arindra  arak’izany  ny  rafi-panabeazana  ilain’ny  olona sy ny firenena,…


 

Marigny A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT