Manoloana ny tranga-javatra niseho teny Antobifasika eo amin’ny fefilohan’i Soavina eny amin’ny kaominin’i Soavina Atsimondrano dia namory ny vahoakan’ity kaominina ity sy ireo mponina mipetraka eo ambonin’ny fefiloha eny
Antobifasika ny ben’ny tanànan’ny kaominia ambanivohitr’i Soavina, Rakotoarisoa Rigobert notronin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky sy ireo ben’ny tanàna hafa ao amin’ity distrika ity toa ny any Ampanefy sy Soalandy ary Ankadivoribe, nanambarany ampahibemaso ny tena zava-misy marina mikasika ny fahavakisan’ity fefiloha ity indroa miantoana (tamin’ny taona 2015 sy tamin’ny 7 janoary 2018) niteraka fahantrany ny vahoaka ary nisy ny nifanarahana amin’ny tetikasa fanarenana sy fanorenana an’ity fefiloha ity. Aza disoana ny tantara, hoy izy, fa efa tany amin’ny taona 1810 faha-Andrianampoinimerina no naorina itony fefilohan’i Soavina mirefy1086 m ity fa isika olombelona taty afara no nanimba azy, ary tamin’ny andron’ny Repoblika faha-2 no nifanarahana ny hipetrahanareo eto amin’ity toerana Antobifasika hatrany Vahilava Atsimo na dia voararan’ny lalàna aza izany ary nijerena lafiny sosialy ka nampidirana jiro hanazava ny tanàna nefa dia voalaza kosa fa rehefa ilain’ny kaominina any aoriana any ny toerana dia miala an-tsitrapo nareo. Aza disoana koa ny tantara fa tsy nisy fefiloha namidy tamin’ny Karana izany ety Soavina. Aza disoana farany ny tantara fa efa nifanarahana teto fa hisy fanonerana an’ireo tsy mainsy ravana trano araka ny nifanarahana tamin’ny ARN ary ny BEI (Banque Européen d’Investissement) no hamatsy vola ny tetikasa fanarenana an’ity fefiloha vaky ity ary ny APIPA no « maître d’ouvrage ». Noho ireo rehetra ireo dia nanambara ity ben’ny tanàna ity fa : « aza fitahinareo vahoaka amin’ny tatitra diso izahay olom-boafidy indrindra ireo solombavambahoakantsika. Fanapaha-kevitry ny kaominina tantanako ary, hoy Atoa Rakotoarisoa Rigobert, rehefa nifandinika tamin’ireo tompon’andraikitra rehetra dia tsy maintsy miroso fa tsy mihemotra amin’ny tetikasa fanorenana sy fanarenana isika ka ao anatin’ny 2 volana manomboka amin’ny volana jona no hanatanterahana izany. Hisy dinika hifanaovan’ny vahoka miaraka amin’ny APIPA sy ARN eny Soavina amin’ny talata izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.