Federasionin’ny gadra politika

“Na inona fampitahoranareo dia hanohy ny tolona izahay!”


  • Talata 05 Desambra 2023

Hatramin’izao ny Federasionin’ny gadra politika na FEDEP dia mbola tsy manaiky ny maha filoham-pirenena

an’andriamatoa Andry Rajoelina, hoy ny filohan’izy ireo, Henry Rakotomalala na Riribe. Tohizanay ny tolona ary tsy hijanona izahay mandra-pahatonga amin’ny tanjona efa napetraka, hoy izy. Hiarahantsika mahalala fa tamin’ny fifidianana farany teo, ny 74%n’ny vahoaka malagasy dia tsy nifidy ary tsy nandatsa-bato. Tsy mankasitraka ary tsy manaiky ny hitondrana filoha vazaha no dikan’izay ny vahoaka malagasy. Tohizanay mandra-pahatongan’ny fandresena farany ny tolona. Tsy mahagaga ny zavatra navoakan’ny HCC satria efa hita ho mitanila ireo ary nanomboka tany amin’ny CENI, tany amin’ny fikarakarana ny fifidianana ny tsy fahatomombanana. Tsy nekenay, noho izany, na andriamatoa Marc Ravalomanana aza no natao lany teo. Tsy fifidianana nandeha amin’ny laoniny ary notakiana ny hoe diovy aloha ny tokontany. Ampiharo ny lalàna mba ho tany tan-dalàna i Madagasikara! Misandoka andriamatoa Andry Rajoelina mankany Dobay io. Mbola tsy nisy “investiture” na fametrahana ofisialy azy akory, noho izany, mbola tsy filoham-pirenena izy. Mety nasaina angamba izy na tsy fahalalan’ireo olona ireo koa. Nisy marina ve ny famindra-pahefana nataony? Mety tsy nisy famindram-pahefana tamin’andriamatoa Andry Rajoelina sy ny olona nomeny fahefana. Iza no nomeny fahefana? Ny filohan’ny antenimieran-doholona ve? Ny praiminisitra ve sa ilay filohan’ny antenimieran-doholona vaovao farany teo? Hanomboka tolona vaovao ary masina isika. Notarihin’ny kandida miisa 11 izany teo ary nifantoka tamin’ny resaka fifidianana. Herisetra sy famonoana no valiny nasetrin’ny fanjakana. Tsy hanaiky mihitsy izahay hoe avela hanao ny sitrapony fotsiny izay manam-pahefana fa tsy maintsy hijoro izahay! Ny HCC ihany no nandika ny didiny. Naninona moa ny fifidianana no niazakazahana. 16 novambra no vita ny fifidianana dia 1 desambra dia efa navoaka ofisialy. 15 andro monja ve dia efa nahavita izany ny HCC? Misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny ao no dikan’izany. Na inona fampitahoranareo dia hanohy ny tolona miaraka amin’ny vahoaka malagasy izahay, hoy hatrany ny FEDEP!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT