Federasionin’ny gadra politika

Mampirisika ny fitondràna hampihatra ny «feuille de route»


  • Talata 21 Oktobra 2025

Niarahaba manokana ny filohan’ny fanavaozana ny

repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely Michael Randrianirina, ny Federasionin’ireo gadra politika teo aloha na FEDEP. Vokatry ny tsy fanarahan-dalàna nanomboka ny taona 2011, hoy izy ireo, izay nahavitàna fifanarahana iraisampirenena na «feuille de route» tamin’izany fotoana izany dia tsy nitsahatra nampahatsiahy sy nangataka ny fampiharana azy io izahay. Tsy nisy nanatanteraka izany ireo mpitondra nifandimby ka niafara amin’izao korontana izao. Mangataka ny hanatanterahana an-tsakany sy an-davany io fifanarahana iraisampirenena io ny FEDEP mba hivoahana amin’ny krizy. Tsy ilaina ny fananganana ny CFM fa ny vola hananganana izany dia atao hananganana ny FNS na «Fond national de solidarité», izany hoe tahirim-bolam-pirenena ho an’ny firaisankina hahafahan’ny fianakaviambe iraisampirenena handrotsaka ny anjarany izay 70% sy ny an’ny fanjakàna malagasy 30%, hoy hatrany ny FEDEP. Tafiditra ao anatin’ireo gadra politika teo aloha tsy mbola nahazo fanonerana, hoy ny fanazavàna, ireo lasibatra ny taona 2002 sy 2009. Nahafahana nanao zavatra maro izany raha tonga tao anaty kitapom-bolam-panjakàna. Niteraka fisaraham-bazana goavana sy fantiantoka ho an’ny firenena ny tsy nanatanterahana izany. Na ny haino aman-jerim-panjakàna aza tokony nisitraka izany. Tokony miitatra hatramin’izao 2025 mihitsy aza io fanonerana io ary tokony ho tafiditra anatin’ilay honerana ny mpanao gazety. Be dia be ny dingana natao ary nofoanan’ny mpitondra ny «feuille de route». Nanjary lasa hoe marika na «symbole» ilay fanonerana na «réparation» sy «indemnisation». Alalana avy aiza no nahafahan’ny fitondràm-panjakàna nanafoana an’iny? Mahagaga! Tsy mbola nisitraka fanonerana ireo lasibatra na ny Ariary aza nefa be dia be no efa maty. Mariky ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondràna teo aloha ny tsy fanatanterahana ny «feuille de route». Tokony ho raisin’ny filoha vaovao ho mana avy any an-danitra ny «feuille de route» hanavotana ny toekarem-pirenena. Antsika malagasy io vola io rehefa azo, hoy hatrany ny FEDEP mampirisika ny fitondràna ankehitriny hampihatra izay «feuille de route» na tondrozotra, izay nisy niantso koa hoe ravin-dalana izay.
Nangonin’i J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT