Politique

FEDEP Hanatanteraka DIABEN’ny Fampihavanam-pirenena


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Ilaina ary tsy maintsy tanterahina eto amin’ny firenena mialoha ny fifidianana rehetra ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena tena izy sy ny fametrahana ny fanarenana ifotonyizay miafara amn’ny lalàm-panorenana vaovao hitondrana sy hanorenana ny firenena,

 

 hoy Rakotomalala Henri na Riribe sy ny kolonely Behavana Jean
Baptiste filoha mpiara-mitantana ny FEDEP ka manao sorona ny firenena ny fanaovana fifidianana eto amintsika tsy misy an’io fampihavanam-pirenena io. Tsy hisy fitoniana intsony eto amin’ny firenena, hoy izy ireo, fa korontana sy valifaty na hisy eto raha toa ka miziriziry hanatanteraka fifidianana amin’izao rivotra politika iainan’ny firenena izao ny mpitondra fanjakana. Tokony hamboarina ihany koa ny lalàna fehizorom-pifidianana satria taratra fa natao tsy hahafahan’Atoa Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina hilatsaka io lalàna novolavolain’ny governemanta Malagasy ankehitriny io. Manomana DIABEN’ny fampihavanam-pirenena ny FEDEP afaka andro vitsivitsy ka hiantsoany ny vahoaka Malagasy rehetra monina eto Antananarivo  sy ny manodidina handray anjara mavitrika amin’izany izay hatao ao anatin’ny filaminana tanteraka hamakivaky ny tanànan’Antananarivo. Tsy mankasitraka kosa ny fanonganam-panjakana na ny mitovitovy endrika amin’izany anefa ny FEDEP, hoy ireto mpitarika azy ireto fa fandraisana
andraikitra mba tsy hisian’ny korontana eto amin’ny firenena no anton’io DIABE io.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT