Hipoitra hanao serasera indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina,
rehefa tsy tazana sy tsy mba niraika firy tamin’ny raharaha fahapoizinana sy fahafatesana olona maro be tamin’ny toerana maro nanerana ny Nosy. « Efa nataoko laharam-pahamehana hatrizay fa ny marina hatrany no ho lazaina an'ny vahoaka Malagasy. Koa manoloana ny raharaha mikasika ny fanapoizinana niteraka famoizana ain’olona maro dia mampiantso ireo Minisitra tompon’andraikitra aho ao amin'ny Lapam-pajakana ao Iavoloha, ka hanome ny tatitra sy fanazavana rehetra ho antsika izy ireo. », hoy ny seraseran’i Andry Rajoelina omaly. Nambara fa harahina mivantana ao amin'ny haino amanjery TVM sy RNM rahampitso alakamisy 24 jolay amin'ny 8 ora alina, izay nilazana fa mba tsy ho tompon-trano mihono ny Malagasy, indrindra ireo manana havana maty sy mbola miatrika fitsaboana. Asa izao tokoa ve ilay antsoina hoe : « Dokotera aorian’ny fahafatesana » ? Tsy finiavana hitsikera, fa raha ny tsapa sy ny hita, tsy niraika firy tamin’io tranga io i Andry Rajoelina. Ny 19 jona no nanaovany fandaharana manokana, nilazana fa nalefa any an-dafy hotiliana ny singa tamin’ireo olona lasibatra. Tsy nisy tatitra mazava intsony momba an’io, izay nolazaina fa tsiambaratelo, taorian’ny fiandrasana telo herinandro teo. Tamin’io fotoana io no tena niresaka momba ny tranga ity Filoha ankehitriny ity, ary iray volana sy 5 andro taorian’izay vao milaza fa tsy hampanao tompon-trano mihono.
NOHAMAIVANINA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA SY AIM-BAHOAKA
Marina fa nahetsika ireo tompon’andraikitra toy ny Minisitry ny fahasalamana, Minisitry ny serasera, Minisitry ny Fitsarana,… saingy ny fihetsika nasehon’i Andry Rajoelina, dia tsy tena nanome lanja ny krizy ara-pahasalamana nisiana ain’olona maro nangataka fanavotana toy ny resaka fitsaboana any ivelany na « EVASAN », ny faty olona nikararana tetsy sy teroa : 31 teto Antananarivo, manodidina ny 260 tany Ikongo nanomboka janoary, raha 118 ny tatitra nivoaka tamin’ity jolay teo izay tsy voafaritra ny fe-potoana, 19 tany Ambositra, 3 tany Mahajanga, 1 tany Toliara,… Maherin’ny 50 tamin’ireo dia matin’ny fanapoizinana na fahapoizinana. Manodidina ny 300 na mihoatra ny matin’ny tazomoka sy ny poizina. Tsy nisy na fisaonam-pirenena iray andro monja aza teto Madagasikara, fa ny tao Ambositra no nanao ny azy manokana. Na iray minitra fahanginana aza tsy nisy tetsy Mahamasina tamin’ny 26 jona. Ny tao Ikongo, tao anatin’ny vanim-potoana mangidy sy mafaitra izay nisiana fahafatesana olona marobe noho ny tazomoka, saingy i Andry Rajoelina sy ny ekipany nandihy sy nitsinjaka tao Fianarantsoa, izay nivoahan’ilay hoe : « Jamais 2 sans 3 ! Mangataka anao hanao « 3ème mandat Atoa Filoha » nisiana fety be nitondrana artista maro sy afomanga. Nitohy tamin’ny tsinjaka sy lanonana samihafa tany Sainte Marie, mbola handeha hanao kifetifety any Maroantsetra sy Mananara Avaratra ny 25-26 jolay raha tsy misy ny sampona. « Toa kitoatoa ny fiatrehan’ny Fitondrana io tranga fanapoizinana ara-tsakafo io. Aiza ve ka iray volana aty aoriana toa honohono ny manodidina ny zava-nitranga. Mampametra-panontaniana hoe : tany misy Fanjakana ve eto Madagasikara ? Toa fandrebirebena sy « fanasagnagnagna » ny Malagasy no tadiavin’ny mpitondra hatao », hoy ny Cellule Diovy i Madagasikara. Tatitra inona no mbola hantenaina ? Tena hisy marina hivoaka ? Moa tsy efa tatitry ny tsy fahombiazana faty olona mikararana ? Diso ve ny olom-pirenena maneho fa fametraham-pialana izao no andrasana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.