Tapitra ny iraka nampanaovin’ny Firenena Mikambana an’ilay teratany senegaley, Fatma Samoura teto Madagasikara.
Nisy ny lanonana fanaovam-belona azy natao tao amin’ny Carlton Anosy ny alin’ny zoma teo.
Tamin’ny taona 2010, mbola tao anatin’ny krizy mivaivay no tonga teto Madagasikara i Fatma Samoura. Solontena maharitry ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana (PNUD) sy mpandrindra ny rafitry ny Firenena Mikambana teto izy. Nisy dian-tanany ny fivoahan’i Madagasikara tamin’ny krizy lavareny, ka nahavitana ireo fifidianana samihafa, niainga tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, fifidianana solombavambahoaka ary fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Io hotanterahina tsy ho ela io ny fifidianana Loholona.
Nisy koa tamin’ny zavatra nataony sy ny fanehoan-keviny izay niteraka resabe sy tsikera efa tonga tamin’ny fihetsiketsehana nilanjan’ny mpomba an-dRajoelina sorabaventy mitaky ny hodiany nandritra ny hetsika teo amin’ny tany menabe Ankorondrano. Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013, dia mbola tsaroan’ny maro ihany koa ny fanakianana ny FFKM nataon-dRtoa Fatma Samoura, izay nampiakatr’afo an-dRabetsaroana Sylvain, anisan’ireo kandida tamin’izany. Tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ny 31 jolay 2015 ihany koa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia tsy nilasalasa niteny mba tsy hitsabahan’i Fatma Samoura loatra amin’ny raharaha anatin’i Madagasikara.
Miandry olona roa izany izao ny PNUD aorian’izao fandehanan’i Fatma Samoura izao, dia izay hisolo amin'ny maha solontena maharitry ny PNUD sy mpandrindra ny rafitry ny Firenena Mikambana azy sy ny hisolo an'i Jonas Mfouatie, Solontena maharitra lefitra misahana ny sahanasa rehetra, izay no tena mpanara-maso ny asa eny ifotony.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.