Politique

Fatma Samoura Nanao veloma ny praiminisitra


  • Alakamisy 17 Desambra 2015

Nanao veloma ny priaminisitra Jean Ravelonarivo teny Mahazoarivo omaly Rtoa Fatma Samoura solontenan’ny firenena mikambana eto amintsika mialoha ny tena handaozany tanteraka an’i Madagasikara.

 

 Feno 5 taona ny niasany teto, tadidin’ny rehetra izy tamin’ny andron’ny fifampiresahana sy ny fifampidinihana teo amin’ireo ankolafin-kery politika ho fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy. Anisan’ireo niasa mafy tamin’ny fanampiana an’i Madagasikara hiverina ao anatin’ny valan’ny ara-dalàna Rtoa Fatma Samoura ary nandray anjara mavirika tamin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana, izy rahateo moa no nitantana ilay « basket fund » na ny vola fanampiana hikarakarana ny fifidianan ateto Madagasikara. Tsaroan’ny maro koa anefa fa nahery fitenenana ity diplaomaty teratany senegaley ity ary misimisy ihany ireo tezitra taminy noho ny vava tsy ambina nataony, izay nosokajian’ny olona sasany ho fanambaniana ny Malagasy mihitsy.

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT