Politique

Faritra Vakinankaratra Ben’ny tanàna 25 amin’ny 90 no nandray ny samboady


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Ben’ny tanàna 25 amin’ny 90 no hany tonga ka nametrahana samboady nandritra ny famaranana ny tsenaben'ny kaominina 90 mandrafitra ny Faritra Vakinankaratra.

Misy ny milaza fa noho ny lonilony politika eo amin’ny Ben’ny tanàna mpitarika ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna ao amin’io faritra io, sy ny tompon’andraikitra ambonin’ny faritra no anton’nizany. Tombatombana avokoa moa izany hatreto, fa ny tsikaritra, toa misy tsy milamina ao. Tetsy ankilany, nanambara ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin fa efa mihatra ny fampiakarana ny tohana na “subventions” ho an’ny Kaominina ho fampiodinana azy, ka isan’ny misitraka izany ireo kaominina ao amin’ny faritra Vakinankaratra. 20 tapitrisa Ariary isan-taona io teo aloha, ary nakarina ho 30 tapitrisa Ar. Raha atao ny kajikajy, manodidina ny 51 miliara Ar eo izany raha ampitomboina ny isan’ny kaominina 1695 eto Madagasikara. Tsy ampy ampahaefatry ny vola hampiodinana minisitera iray akory io. Izany ve no tena antsoina hoe: fitsinjaram-pahefana sy fampandrosoana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT