Mitombo hery ny ankolafy Ravalomanana sy ny Zanak’i Dada amin’ny fampandaniana ny kandidŕ Robinson Jean Louis ho filoham-pirenena, hoy ireo oloben’ireo vondrona ireo any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.
Raha ny hery nananana tamin’ny fanombohana ny tolona taty aminay tamin’ny volana aprily taona 2009, hoy izy ireo, no refesina ny asa natao dia tena misongadina mihitsy ny fitombon’ny hery. Ankasitrahana manokana, hoy ihany ireto olobe ireto, ny ezaky ny tsirairay tamin’ny fampisehoana firaisankina sy ny fifankatiavana, indrindra ireo vondrom-bavaka manerana ny Nosy ataon’ny fiangonana isan-tokony, isan’andro. Ankehitriny, misy ny fanomezan-tanana ataon’ny tsara sitrapo, tia tanindrazana, isaorana ireny. Tsy kely lalana anefa ny ratsy ka tokony hitandrina isika. Soa anefa fa mahay manavaka ny vary sy tsiparifary ny ankolafy Ravalomanana sy ny Zanak’i Dada ka vonona hatrany hampanjaka ny ara-dalàna hialana amin’izao krizy mampahantra ny vahoaka izao araka ny toromarika omen’ny filoha Marc Ravalomanana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.