Politique

Faritanin’i Fianarantsoa Hamoaka kandidan’ny Firaisankinam-pirenena


  • Alakamisy 20 Jolay 2023

Manamafy ny fandraisany andraikitra momba ny raharaham-pirenena indrindra fa ny fiatrehana ny fifidianana ny Vondrona Firaisankina Fianarantsoa,

ka nisy ny antso avo nataon’izy ireo ho an’ny zanaky ny faritanin’I Fianaratsoa tsy an-kanavaka omaly 19 jolay 2023. Manao antso avo ho an’ny rehetra miaina sy monina ato anatin'ny faritany Fianarantsoa sy ireo mielim- patrana any amin'ny faritra tsirairay manerana ny nosy manoloana ny zava-misy iainan'ny firenena ankehitriny sy ny fiatrehana ny fifidianana filohampirenena izay hataontsika tsy ho ela ny Vondrona Firaisankina Fianarantsoa. “Andao hiray hina isika hametraka kandida matanjaka mipoitra avy ato anatin'ny Faritany Fianarantsoa. Misy ny efa nilaza fa hilatsaka hofidiana, fantatray ihany koa fa misy kandidà hipoitra tsy ho ela eto Fianarantsoa, araka ny vaovao marim-pototra voarainay dia misy amin’izy ireny efa nanomana izany filatsahan- kofidiana izany efa ela ary vonona amin'ny lafiny rehetra, koa andao hatambatra ny hery, andao hifampidinika mba hanandratantsika olona iray hiombonantsika rehetra. Mila manana hery politika matanjaka ny faritanintsika mba hahafahantsika misitraka ny anjara masoandro tandrify antsika eto amin'ny firenena », hoy io antso avo io. Nohamafisina tao anatin’io antso io, fa adidin’ny zanaky ny faritany Fianarantsoa ny miray hina manoloana izao zava-misy eto amin'ny firenena izao, ary fotoana tokony hitsanganana izao. “Mitsangana ry zanak'i Fianarantsoa, mijoroa ry Malagasy rehetra miaina sy mivelona ato anatin'ity faritany ity fa iray aina sy iray tanindrazana isika. Manana olona manam- pahaizana sy olon-kendry maro isika. Ananantsika ny olona sahy sy vanona ary vonona hoan'ny tanindrazana. Mahasoa antsika sy ny malagasy manontolo ny fahasahiantsiaka mandray andraikitra », hoy ny Vondrona Firaisankina Fianaratsoa, izay nanamafy fa ny Firaisankina no hery. Mandeha noho izany ny fanentanana mafonja ny zanak'i faritany Fianarantsoa rehetra mielim-patrana manerana ny Nosy mba hanetsiketsika sy hamelombelona izany antsom- pijoroana sy fiombonana izany. Tsy najanon’izy ireo ao anatin’ny Faritanin’i Fianarantsoa ihany anefa, fa niantso fiaraha-mientana ho an’ny Malagasy manontolo hiray hina sy hiray feo amin’ny antsony hisian’ny firaisam-pirenena ho fanavotan-tanindrazana izy ireo. «Manentana ihany koa antsika Malagasy isam- paritra rehetra tsy an-kanavaka mba hiray hina amin'izany antso ataonay eto izany. Natao izao antso İzao mba ho Firaisankinantsika Fianarantsoa sy ny Malagasy rehetra ho amin'ny fanavotam- pirenena», hoy io fanambarana niainga tao Fianarantsoa omaly 19 jolay io.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT