Faratsiho

Mandresy mazava i Mily, taraiky i Lalatiana…


  • Alarobia 12 Jona 2024

Isan’ny tena nandrasan’ny maro tao anatin’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ny momba an’i Faratsiho.

Resin-dRamilison Andriamampionona Nomenjanahary na MILY tamin’ny isa mazava 45,29% tamin’ny alalan’ny vato manan-kery 22897 ny minisitra kandida Lalatiana Rakotondrazafy nahazo 40,46% izay nahazo vato 20546, raha ny tatitry ny CENI. Voatazona izany ny elanelam-bato 2351 tany Faratsiho, maharesy an’i Lalatiana Rakotondrazafy, raha ity vokatra ity. Ity farany izay sady nanao vavabe no nasandratry ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana ho mafy sy mahavita azy, hay resin’i Mily mazava be tao Faratsiho. Horakoraka sy tehateka no nandraisan’ireo mpanotrona sy mpanaraka ny voka-pifidianana nijery ny « écran géant » napetraky ny CENI tao anatin’ny trano fialofana tao ivelany noho ny fahateren’ny efitrano teny Alarobia omaly. Nialohan’ny fivoahan’ity vokatra ofisialy omaly ity moa, dia nisy ny fanambarana nataon’ireo Vondron’ny Kandida IRMAR resy na laharana faharoa any amin’ireo distrika misy depiote roa, niezaka nanamafy sy nivoy fa nangala-bato ny mpanohitra. Izy ireo izay miantehitra mafy amin’ny HCC hanitsy ny voka-pifidianana navoakan’ny HCC hanome tombony sy hampandresy azy taorian’ny karazana fitoriana natao toy ny filazana fa nangala-bato ny mpanohitra. Kandida IRMAR maro moa no mitovy lasitra amin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy ka miandrandra fitsimbadihana, toy ny ao Port Bergé Velontsara Paul Bert, ny tao Arivonimamo Ratovoandravoavy Andrianiana izay vizan’ny FIVOI 80% latsaka kely, ny tao Soavinandriana Fhy Razaiharimalala izay resin’ny tsy miankina, ny tany Fandriana Solo Andriamampisoa izay tsy nahovoka ny kandida tsy miankina, ny kandida tany Vohipeno Atoa Tsabotokay Honoré, ny kandida tao Manjakandriana Atoa Solofo Jocelyn izay laharana fahatelo,… Mbola hanondraka solika amin’ny afo efa mirehitra amin’ny alalan’ny fanatsimbadihana ny vokatra hanomezana tombondahiny ny kandidam-panjakana ve ny HCC.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT