Farasisan’ny fitondrana Rajoelina

Mbola nitohy ihany ny zava-mamoha henatra


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Maro tamin’ireo mpanara-baovao no nihevitra fa hifarana hatreo ny zava-mamoha henatra na “scandale” tao anatin’iny

fitondrana notarihin’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, iny rehefa tafala teo amin’ny toerana izay notanany nandritry ny 5 taona ity farany. Omaly anefa dia nitohy ihany izay zava-mamoha henatra izay raha ny horonantsary niparitaka tany anaty tambazotran-tserasera. Depiote iray voalaza fa voafidy tao Mananjary no nifanasa vangy tamina mpitandro filaminana iray teny amin’ny lalana, izay rehefa nozohiana ny votoatin’ny resaka, dia nikasa hanara-maso ny fiaran’ity depiote ity ilay mpitandro filaminana. Nisafoaka ilay depiote ary nanakihana ity mpitandro filaminana ity ho tsy manaja olona ary saika hivoaka ny fiarany mihitsy saingy niverina niditra ihany avy ka niteny tamin’ilay olona hitany ho naka ny sary hoe “vonoy ny téléphonenao!”. Mbola nipoitra omaly indray araka izany ny zava-mamoha henatra na “scandale” izay heverina ankehitriny fa farasisan’ny fitondrana Rajoelina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT