Politique

Fanovana ny satan’ny fanoherana Tsipahin’ny RMDM hatramin’ny farany


  • Talata 27 Aogositra 2019

Nolaniana amboletra teny amin’ny antenimieram-pirenena, ilay volavolan-dalàna mifehy ny mpanohitra, raha ny fanazavana azo. Mitsipika marin-drano an’izany atoa Alain Andriamiseza sy pasitera Edouard Tsarahame avy amin’ny vovonana Rodoben’ny Mpanohitra

 

 ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM. Araka ny fanazavana voaray, lalàmpanorenana tamin’ny fitondrana tetezamita 2010-2011 no mitondra antsika amin’izao fotoana, hoy izy ireo. Ny 80 isan-jaton’io lalàna io, dia ry zareo  nitondra ny tetezamita no namolavola azy. Ny filohan’ny tetezamita, ny kongresin’ny tetezamita na CT ary ny CST na ny mpanolotsaina avon’ny tetezamita no nikaon-doha tamin’io. Noho izany, mbola tazonin’ny RMDM ny hampiharana ilay lalàna 2011-013 mifehy ny mpanohitra fa tsy io nolaniana teny Tsimbazaza natao amboletra io akory, hoy hatrany ny filoha lefitr’ity rafitra ity. Raha mikasa ny hanova lalàna, maninona no tsy nantsoina  ny mpanohitra rehetra fa lalàna hifehy an’ireto farany no nolaniana. Izay no hisian’ny tena demokrasia eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy tenierana tamin’ny mpanohitra koa ny nandaniana io sata mifehy ny mpanohitra io, raha ny nambaran’izy ireo hatrany.

Sitraka r. 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT