Hanolotra ny programa ankapoben’ny fanjakana na ny PGE eny amin’ny antenimieram-pirenena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta,
ka nilazan’ny filohan’io andrim-panjakana io Rtoa Christine Razanamahasoa nandritra ny fotoam-panonkafana ny fivoriana tsy ara-potoana omaly, fa tsara raha miditra kokoa amin'ny antsipirihany indrindra ireo tetikasa ny PGE, hahafaha-mandrefy ny zava-bitan'ny governemanta. Marihina fa miisa 3 ny lahadinika, dia ny fitsipika anatin’ny antenimiera, lalàna mifehy ny fanoherana izay ao anatin’ny fandinihina ny fitsipika anatiny no isan’ny hamerenana ny hasin'ny antenimieram-pirenena amin’ny alalan’ny mangarahara amin'ny asa, fitsinjovana ny tamberin'andraikitra, raha ny nambaran’ny filohany Rtoa Christine Razanamahasoa. Momba ny fanolorana ny PGE, dia dia efa miomana amin’izany ny tenako, ary tsy misy olana satria izay no andrasan’ny rehetra, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian. Tsy maintsy mitandrina kely ihany satria mety ho ora 5 na ora 6 no lany. Nambarany kosa tetsy an-daniny fa tolo-dalàna ny mahakasika ny sata momba ny mpanohitra, ka ry zareo ao anatin’ny antenimieram-pirenena ihany no nitondra izany tolo-dalàna izany hodinihin’izy ireo fa ny governemanta, dia ny alarobia lasa teo no efa nanome ny heviny. Izy ireo ihany no mahita ny fanovana tiany hapetraka. Mila mailo sy mitandrina amin'io lalàna 2011-013 tamin'ny 11 septambra 2011, hoy kosa ny filohan’ny antenimiera Rtoa Christine Razanamahasoa. Mikasika ny fifidianana kosa, dia tapitra alohan’ny faran’ny taona ny fotoam-piasana. Eo am-pandinihana ny fitondrana, kanefa tsy maintsy mahay mifampihaino isika Malagasy. Betsaka ny vondrona politika miteny fa misy zavatra mila hatsaraina, toy ny lisitra. Nambarany fa mijery sy mandanjalanja ny fitondrana. Ny fanavaozana ny lisitra moa dia ny manomboka ny 1 desambra. Ho fantatra tsy ho ela araka ny tenin’ny filoha, izay fanapahan-kevitra, raha ny nambaran’ny lehiben’ny governemanta.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.