FANOVANA, FANATSARANA

Aoka tsy ho maimaika, mila apetraka


  • Talata 13 Janoary 2026

tsara ny lasitra aloha

Ao anatin’izao fanavaozana ny repoblika izao dia maro ireo olona manantena zavatra lehibe ao anatin’ny fotoana haingana. Fiovam-penitra mahery vaika mihitsy hoy ny sasany, io no lasa miteraka adihevitra any anaty fiarahamonina ka mipoitra ny hoe : izao ve ilay fanovana, toa ela, ary toa misy olona efa tao anatin’ny fitondrana teo aloha mbola eo amin’ny toerany ihany na nahazo andraikitra hafa. Toa vitsy ireo nosamborina.
FOTOTRA TSY MAINTSY IAINGANA
Izany no resaka, nampatsiahy tsara anefa ny filoham-panjakana ny kolonely Randrianirina Michael tao anatin’ny kabariny ny 31 desambra 2025 fa fitaovana sy fotodrafitrasa 130 no napetraka manerana ny nosy ary malagasy miisa 200 000 mahery no nahazo rano. Ohatra iray monja io, satria nampimenomenona ny rano, ny jiro moa dia efa iaraha-miaina sy mahita isan’andro fa tsy misy izany delestazy adin’ny 3 na adin’ny 5 izany intsony. Ny dikan’izany dia efa tena nihena be ilay izy indrindra fa raha jerena hoe isan-kerinandro sy isam-bolana. Tsy mora ny manova izay ary misy fototra tsy maintsy iaingana aloha, fanarenana no atao izao fa tsy mbola fanorenana hoy ny praiminisitra nanoloana ireo solombavambahoaka. Tena marary i Madagasikara, marary ny toekarena, marary ny vahoaka, marary ny asam-panjakana ka tsy maintsy tsaboina maika aloha ireo. Tsy tokony ho sarotra intsony ny miroso avy eo rehefa fantatra ny olana ifotony.
FIKAONAN-DOHA
Tsy maintsy ho avy ny fikaonan-doham-pirenena ka avy ao no ivoahan’ny lalampanorenana vaovao, lalam-pifidianana vaovao, andrim-panjakana vaovao….mety avy ao ihany koa no hamaritanany politika ara-toekarena, ny politikan’ny fanabeazana, ny politikan’ny fiahiana ara-tsosialy,ny politikan’ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena.Haharitra enim-bolana izany fikaonan-doham-pirenena izany, efa mandeha nanomboka ny volana desambra 2025 ny dinika savaranonando mitety faritra koa inoana fa ampy tsara io fotoana io hametrahana ny lasitra ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. (Sary fanehoana)
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT