Fanosihosena ny filohan’ny

antenimierampirenena Sosotra ny Vovonan’ny Raiamandreny Betsileo


  • Zoma 03 Novambra 2023

Noho ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena manoloana ny fifidianana hatrehina ny 16 novambra 2023

izay miteraka savorovoro dia tonga eto izahay, hoy ny Vovonan’ny raiamandreny Betsileo avy amin’ny faritra Matsiatra ambony, Fianarantsoa, omaly, tetsy Isotry, Nitondra vahaolana sy sosonkevitra handaminana ny toe-draharaha. Tsy vao ela akory izay ny fanambarana nataon’ny filohan’ny antenimieram-pirenena mikasika ny fikatsaham-bahaolana momba ny zava-misy eto amin’ny tany sy firenena, hoy izy ireo. Mankasitraka izany fijoroany sy fahasahiany izany izahay ary koa ny fandraisany andraikitra tsy mijery harona an-tava sy tsy mitanila. Mariky ny maha raiamandreny sy tia tanindrazana izany. Tsy ankasitrahanay ny fanakanana sy fanosihosena, endrika tsy fanajana azy! Ara-tantara, ny foko Betsileo dia nandova ny fahaiza-manao momba ny fampihavanana ka voaporofo izany tamin’ny zava-misy nandalo teto amin’ny tantaran’ny firenena. Mipetraka ho elanelam-panahy izahay ka vonona ny hitondra ny fifampiresahana mba hisian’ny fampihavanana eo amin’ny samy malagasy. Tsy tsara ny firosoana avy hatrany amin’ny fifidianana raha izao hita izao. Mbola maro ireo olana tsy voatanisy mila fifampidinihana mialoha mba handaminana ny raharaha handraisana sosokevitra avy amin’ny olompirenena rehetra. Manolo-tanana ny amin’ny anohizan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena ny andraikitra efa noraisiny tamin’ny kabariny nanokafana ny fivorian’ny antenimieram-pirenena izahay. Hitandroana sy hanajana ny soatoavina malagasy izany. Manao antsoavo ny herivelona rehetra tsy an-kanavaka mba samy handray ny andraikitra tandrify azy fa raha ny rafitra misy amin’izao fotoana izao dia tsy hampandroso ny firenena. Vonona hifampiresaka amin’ny herivelona rehetra izahay, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT