Politique

Fanonganana ny birao maharitra Toherin’ny depiote Nicolas


  • Zoma 23 Oktobra 2015

Tokony handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena avokoa ny olom-pirenena rehetra, indrindra ireo nahazo toerana eo amin’ny fitondrana, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas

 

. Mino marina ny tenako, hoy izy, fa ho tanteraka avokoa ny fanirian’ny vahoaka, dia ny handrosoany amin’ny fiainana tsaratsara kokoa noho ny misy azy ankehitriny raha samy mibanjina ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy any amin’ny fari-piadidiana misy azy avokoa ny olom-boafidy tsirairay avy. Azo antoka fa hanampy betsaka ny fitondram-panjakana mijoro amin’ny fanatanterahana ny drafi-pandaminana napetrany izany fihetsika izany. Mila manova fomba fisainana sy fomba fanaovana politika isika mianakavy, hoy izy, mba ho amin’ny tombontsoam-pirenena marina ny zavatra atao. Antony nanatanterahany ny fanampiana ireo mponina tany Betroka hatrizay ilay fihetsika ka iriany mba hiroso koa ny any amin’ny Faritra samihafa manerana an’i Madagasikara. Nohamafisiny fa izy dia manohitra marindrano ny fihetsika fanakorontanana etsy sy eroa. Nosinganiny manokana ny eritreritr’ireo mikononkonona fanonganana ny mpikambana am-perinasa ao amin’ny birao maharitra eny amin’ny Antenimieram-pirenena eny mba hahazoana manohy ny asam-pampandrosoam-paritra efa nivaingana tamin’ny asa nataon’ny teny anivon’ity Antenimieram-pirenena ity. Notsiahiviny fa tamin’ny dian’ny delegasiona palemantera farany teo tany amin’ny fivorian’ny « Panafricain Parliament » tany Afrika Atsimo dia nahatafiditra solombavambahoaka malagasy 5 ao anatin’io rafitra iraisam-pirenena io ny delegasiona  nisy azy nanatanteraka iraka tany. Ary nanomboka omaly alarobia ny tenany dia mbola anisan’ireo delegasiona parlemantera lasa namita iraka any Eoropa indray.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT